Friday, September 02, 2011
Ny olona taty ivelan’ireo no nahita ny afo efa mijoalajoala ka nanaitra ireo olona tao an-trano
Tao anatin’ny ora roa monja dia kila forehitra ny trano, ny fanaka, ny biby fiompy sy izay harena rehetra niharan’ireo fianakaviana miisa 31. Manodidina any amin’ny 300 tapitrisa any ho any no totalim-bidin’izany fananana may izany, izay voalaza fa ankasomparana marindrano. Ny talata hifoha ny alarobia teo tokoa mantsy, tokony ho tamin’ny 12 ora alina tany ho any, dia nisy olona tsy fantatra nanipy afo tamina tafon-trano telo teny amin’ny tanana antsoina hoe Andohalo Ilafy, Ankadikely. Araka ny fitantarana nataon’ireo niharam-boina teny an-toerana tamin’alalan’ny solontenany, Ingahibe Ratsianovana Jean de Dieu, 81 taona, dia ny hika sy horakoraka, “may may, vonjeo, vonjeo, mivoaha ny trano” no nanaitra ny fianakaviana tao amin’ireo trano telo, izay efa nitatra tamina trano telo hafa. Saika tafo-bozaka avokoa moa ireo trano may ireo, hany ka vetivety foana ny fitaran’ny afo. Nanampy trotraka an’izay, saika tsy nisy rihana ireo trano, hany ka izay nanavotana ny aina hialana ny trano nirehitra no nimasoan’ireo tokantrano isanisany. Avy any atsimo no niandohan’ny afo, hoy ny filazana izay nataon’ireo niharam-boina, avy eo nitatra nianavaratra, nahery fitsoka rahateo ny rivotra ka tsy nisy azo novonjena. “Ny fitafiana teny an-koditra sisa no hitanareo ety aminay, fany sisa may avokoa”. Ankoatra ny trano, ny fanaka, ny lamba firakotra, ny akanjo dia niara-may tao avokoa na ny tahirim-bola, eny hatramin’ny vilany aza nirehitra ihany koa, hoy ny fitalahoana nataon’ireo niharam-boina. Ankoatra ireo anefa dia niara-may koa ny tranon’ireo biby fiompy, ka kila tao ny omby roa, bitro, akoho amam-borona. Teo ihany koa anefa ny ambioka na ny masimboly .
Noho izao voina nahazo ny tokoantrano telo izao dia miantso vonjy amin’ny manampahefana ny fianakaviana, ny fokontany mba hifanome tanana sy hanampy azy izy ireo. Efa nisy moa ny tsipaipaika nataon’ny fokonolona sy ny kaominina, saingy kely ihany izany raha ampitahaina amin’ny fahavoazana nisy.
Fa ankoatra ny trano telo nisy nandoro teny Andohalo Ilafy dia fantatra ihany koa, tamin’io alinan’ny talata hifoha alarobia io, fa nisy nandoro ihany koa ny taratasim-pifidianana, na ny lisi-pifidianana tao amin’ny biraon’ny fokontany Antsampandrano-Ilafy. Novakian’ireo olon-dratsy mantsy ny biraom-pokontany ary dia nodorany teo ampovoan’ny arabe ny taratasy rehetra mahakasika ny lisi-pifidianana.
Miezaka manao ny fiambenana ny vohitra sy ny tanana ihany ny fokonolona sy ny kartie mobile isaky ny alina, saingy tsy mahovoka firy manoloana ny tranga tahaka izao. Efa eny am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana moa ity raharaha ity.
Subscribe to:
Post Comments (Atom)
No comments:
Post a Comment