Rehefa mety ho tanàn - dehibe eto Madagasikara, dia saika ahitana mpangataka avokoa. Henatra ho an ’ ny Firenena ireny amin ’ ny ankapobeny. Tsy iadian - kevitra rahateo, fa taratry ny fahantrana ny firongatry ny mpangataka. Zaza menavava, ankizikely tsy ampy taona, ireo manan - kilema, be antitra, renim - pianakaviana mitaiza kely… ireny rehetra ireny no hita etsy sy eroa manao ity « asa » mpangataka ity. Tontolo hafa kely ny fiainan ’ ireny mpangataka ireny. Ao ireo teren ’ ny tsy fisiana sy ny tsy fananana. Ny hafa kosa, dia nolazaina fa efa tarazo teo amin ’ ny fianakaviana. Ny sasany indray, dia milaza fa tena bizina io ary tahaka ny asa rehetra ihany. Araho àry ny fanadihadiana.
Mampanofa zazakely…
Fianakaviana kely iray enina mianaka, monina eny amin’ ny 67 ha ary « miasa » eny Analakely sy Behoririka, Isotry, Mahamasina , Antaninarenina… arakaraky ny tsena. Amin’ ny ankapobeny, dia nataon’ izy ireo ho fatoriana fotsiny io trano io, fa miala vao maraina amin’ ny 5 ora sy sasany na amin’ ny 6 ora izy ireo, dia amin’ ny 8 ora alina vao mody amin’ ny andavanandro. Amin’ ny 2 ora maraina kosa, rehefa zoma sy sabotsy. Satria miandry ny fivoahan’ ireo tanora efa nahazo zava - pisotro misy alikaola eny amin’ ireny toerana fialamboly isan - karazany ireny. « Satria rehefa dôzidôzy ry zalahy, dia mazoto manome kely », hoy ilay renim - pianakaviana nanazava. Ny alahady tolakandro no mba ipetrahana an - trano indraindray. Mihodina toy ny orinasa kely ny fiainan’ izy enina mianaka. Renim - pianakaviana iray tsy manambady miaraka amin’ ireo zanany telo mianadahy sy zafikely mirahalahy. Ireo zafikely sy zanaka iray mbola kely, samy manodidina ny eo amin’ ny enim - bolana, ka hatramin’ ny herintaona sy tapany no atao fitaovana entinaitadiavam - bola isan’ andro. « Efa ho 5 taona izao no nanaovako an’ ity asa ity, dia tena mety aminay ilay izy, satria afaka mihinana sy misakafo tsara izahay isan’ andro, na tsy tena tonga lafatra aza », hoy ity renim - pianakaviana ity nanazava, no sady nohamafisiny, fa « efa fantatr’ ireo namanay mpangataka ny toerana misy anay eto Analakely, dia izay tonga aloha no mahazo manofa ireo zaza ireo ». Satria tokoa araka ny voalazan’ ity renim - pianakaviana ity ihany, dia « tsy maharaka ny zaza ampanofaina rehefa amin’ ny fotoana fandraisam - bolan’ ny olona mivezivezy eny an - tsena. Dia amin’ ireny fotoana ireny koa izahay no mba manararaotra mampiakatra ny hofan - jaza ». Nolazaina tokoa fa , « manodidina ny 200 ka hatramin’ ny 500 Ariary isaky ny adiny iray ny hofan - jaza iray, ka tsy maintsy aloa mialoha ny hitondrana ilay zaza ny vola. Ohatra ny eny amin’ ny Bar ihany io hoe : payé avant de consommer ry neny â ». Mihodina be ny orinasan’ izy ireo amin’ izany, satria efa tena misy mpandray ireo zaza amin’ ny ankapobeny. Raha atontaly hoy ihany ity renim - pianakaviana ity, dia « tsy latsaky ny 10 000 Ariary isan’ andro ny vola entinay mody. Indraindray aza mihoatra... dia tsy maintsy mipetraka eto Analakely izahay miandry ny fanateran’ ireo mpanofa zazakely, ka na miloka manao « rami » na mitatasika izahay, dia hariva ny andro, mody matory satria ety ihany izahay no misakafo », hoy ihany ity renim - pianakaviana ity nanazava, no sady nihomehy tsy rototra akory. Ny alahady kosa dia izy rehetra mihitsy no mangataka manakaiky Fiangonana, fa tsy ampanofaina ny zazakely, satria hoy ihany izy nanazava « rehefa alahady Fandraisana izahay, dia mifampizara amin’ ireny Fiangonana protestanta be ngetroka ireny. Amin’ ireny no tena mipotsaka ny sôsy, satria avy mibebaka ny kil ( ny olona ), dia aleonay tsy ampanofaina ny ankizy ».
Ireo mpanofa zazakely…
Ramatoa iray sy ankizivavy kely iray no nanaiky nitafa taminay. Iry voalohany dia nilaza mazavan, fa « tsy te hiasa an - trano intsony aho, fa masiaka be daholo ny patirao niasako, dia aleoko mangataka ohatra an’ izao. Ny zanako koa efa lehibe daholo, dia inona fotsiny ary no ataoko eo ? ». Nambaran’ ity ramatoa ity mantsy, fa « efa mba nanasa lamban’ olona ihany koa aho taloha, saingy nangalarin’ ilay rain - janako daholo ny lamban’ olona, dia efa nigadra enim - bolana tany Antanimora aho. Dia hitako hoe ny mangataka no fitadiavam - bola tsy misy arakaraka, dia izay. Fa izaho aloha tsy maintsy mahazo e. Voaloako tsara foana ny hofan - janak’ olona, dia mahazo 3 000 Ariary isan’ andro aho rehefa mazoto. Indraindray aho kamo, dia ilaozako mitatasika miaraka amin’ ny namako eny fotsiny », hoy ity renim - pianakaviana ity nanazava fohy. Ilay ankizivavikely kosa indray dia nilaza, fa « sahirana be ny reniko dia aleoko mikandrakandra kely mangataka ety, fa rehefa tsy mangataka aho, dia tsy mikaly ( mihinana ) ». Nohamafisin’ ity ankizivavy kely ity ihany koa fa « ilay manofa zanak’ olona no tena ahazoam - bola, toy izay mandeha irery. Amin’ iny mantsy ny olona mangoraka an’ ilay zazakely, dia vetivety kely dia mahazo. Indraindray aza tsy ampy adiny iray akory aho dia mahazo « gala iray », 1 000 Ariary. Dia averiko ilay zanak’ olona, dia mba lasa aho milalao miaraka amin’ ny namako ». Nolazain’ ity ankizivavy kely ity ihany koa, fa mbola tsy nanitsaka varavaran - tsekoly ny tongony ary tsy manantena sy tsy vonona ny hianatra rahateo satria « efa ity mangataka ity ny asan’ ny ankamaroan’ ny havanay, dia efa zatra izahay sady izao koa ve izaho vao hibôsy ( hianatra ) ? Ohatra ny tsy poinsa ( tsy mety ) intsony izany an », hoy izy namaly. Marihina, fa mampiasa voambolana hafa mihitsy ireny olona ireny.
Kilemaina sy beantitra…
Ireo olona kilemaina sy beantitra mangataka kosa indray, dia toa nahay nandaha - teny nanazava ny antony anaovan’ izy ireo ity « asa » mangataka ity, satria tokoa, be fangorahana ny ankamaroan’ ny Malagasy, mora ontsa sy mitsetra, ka ny fihetsika sy ny fomba fiteny kosa indray ny azy ireo no fitaovana mety ahazoam - bola bebe kokoa. Misy ireo beantitra mbola ao anatin’ ny fahatanjahany, saingy « ohatra ny efa tarazo ilay mangataka, satria ny reniko izao dia nangataka tety Analakely. Efa narary tsy afaka nandeha intsony izy izay vao nijanona, dia ohatra ny nandeha ho azy koa ny ahy. Ny zanako sahirana ara - pivelomana daholo, ny sasany migadra eny Antanimora, ka tsy aleoko miavotena irery mangataka ety », hoy ilay ramatoabe nanazava. Araka ny nambarany mantsy, « avy dia omeko tsodrano amin’ ny feo mitalaho be ny olona dia mahazo aho, dia afaka mividy hani - masaka ety ihany, dia voky tokoa ». Tiana ny manamarika, fa rehefa niresaka taminay ity ramatoabe ity, dia niteny tsotra izy, fa rehefa mangataka kosa izy dia tena hainy ny manintona ny fon’ ny olona hanolotra vola aminy. Araka ny voalazany àry dia « Ariary zato na roanjato Ariary no omen’ olona iray azy. Indraindray aho, dia mahazo hatrany amin’ ny 5 000, ka hatramin’ ny 10 000 Ariary isan’ andro, rehefa atambatra ny vola azo ». Ireo olona manan - kilema kosa indray, dia namaly tsotra rehefa nanontanianay ny antony anaovany ity asa fangatahana ity hoe : « Inona intsony ry neny ny asa vitako amin’ izao a ? » no sady lasa nanohy mora ny asa fanaony, fa tsy te handany fotoana nitafa taminay.
Fanakalozana vola madinika…
Ireny mpangataka ireny kosa indray matetika no mahavonjy ireo mpivarotra amoron - dalana amin’ ny fitadiavana vola madinika. Satria tokoa, efa fantatr’ ireo mpivarotra, fa misy vola taratasy madinika maromaro any amin’ izy ireo. Ireo mpangataka koa etsy andanin’ izany, dia zarany aza mba mitondra ravin - taratasim - bola vaventy rehefa mody, amin’ izay hita sy tsapa fa tena avy niasa. Ny ankamaroan’ izy ireny, dia saika manofa trano avokoa, eny fa na ireny trano baoritra sy trano vita amin’ ny selofanina ireny aza, dia hofaina tsotra izao. Tsikaritra, fa betsaka ireo mpangataka no mifanaretsaka eny amin’ ireo toerana be mpandalo, indrindra ny eny an - tsena eny. Safidy ny azy ireny amin’ ny ankapobeny. Tsy marina ny hoe « tsy fidiny » no anaovan’ izy rehetra ireny io « asa » io. Ny sasany kosa, dia hakamoana tsotra izao. Vitsy dia vitsy ny tena hoe mangataka noho ny tsy fananana sy ny tsy fahafahana miasa. Ny ankamaroan’ ireo mpangataka, dia mahazo vola betsaka kokoa noho ireo olona mitsemboka sy mifofotra amin’ ny herin’ ny tenany, na koa ireo olona mamelon - tena amin’ ny hatsembohan’ ny tavany.
( Marihina, fa tsy nisy nanaiky nalaina sary ireo olona nanaovana fanadihadiana, ka nohajainay fatratra izany )
No comments:
Post a Comment