Tuesday, September 20, 2011

Ampasampito : Garde du corps-na Minisitra tratra nivarotra basy

Voalaza fa miaramila am-perinasa no tompon’ireo basy ireo.

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny SAG (Service Anti-Gang) tetsy Ampasampito ny roalahy voalaza fa mivarotra basy ny antoandron’ny sabotsy teo. Basy Pistolet Automatique roa miaraka amin’ny bala no tratra teny amin’izy roalahy. Voalaza fa miaramila am-perinasa no tompon’ireo basy ireo, saingy izy roalahy ireto kosa dia sivily saingy mpiambina akaiky ministra iray ao amin’ny Fitondrana amin’izao fotoana izao.

Tamin’ny herinandro lasa teo dia naharay vaovao ny tao amin’ny mpitandro filaminana fa misy olona mivarotra basy any amin’ny manodidina an’Ampasampito iny. Nidina teny an-toerana ary ny polisy avy ao amin’ny SAG ny sabotsy lasa teo ka roalahy no voasambotra tamin’izany. Hita teny amin’izy roalahy tokoa ny basy Pistolet Automatique (marika MAT) miisa roa miampy bala. Rehefa nosavaina dia nahitana karatra tany amin’ny iray tamin’izy roalahy ireto. Karatra izay milaza fa mpiambina akaiky na « garde du corps » an’ny Minisitra vehivavy iray ao amin’ny fitondrana tetezamita izy. Ary mbola nohamafisiny am-bava ihany koa izany rehefa nofotorana ity lehilahy ity. Voalazany ihany koa fa miaramila am-perinasa no tompon’io basy io ka ry zalahy mividy ny basy any ary maka tombony avy eo ka amidy 5.000.000 Fmg ny basy iray.

Notazonina vonjimaika eny amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana aloha izy roalahy ireto amin’izao fotoana izao mba hanaovana fanadihadiana, ary efa mandeha ihany koa ny fikarohana ity miaramila voalaza fa tompon’ny basy amin’izao fotoana izao. Mbola fantarina ihany koa na misandoka na tena mpiambina kaiky ny minisitra tokoa ity lehilahy ity.

No comments: