Wednesday, September 14, 2011

Tezitra ny kaomisera : Nasainy nofafan’ny inspektora tamin’ny satroka ny pipi !!!

Endrika faniratsirana sa entina hivoizana hatezerana? Nisy nivalandrano ny biraon’ny kaomisera eo anivon’ny toby iray…

Tsy mandeha amin’ny laoniny ny fifandraisan’ny mpitondra sy ny entina eo anivon’ny tobin’ny pôlisy iray eto an-drenivohitra. Mazava loatra raha tsy misy ny vokatra na dia teo aza ny fepetra noraisina toy ny fanambarana ny vondrona maromaro eo anivon’ny toby iray mba hahery vaika kokoa. Tamin’ny herinandro lasa teo dia fantatra fa nisy nivalandrano ny biraon’ny kaomisera iray tao an-toerana. Koa satria tsy misy olona afaka mivezivezy ao ankoatra ny pôlisy eo anivon’ny toby ihany dia mazava loatra fa ny olom-peheziny no nahavita izany. Tezitra mafy ilay tomponandraikitry ny pôlisy satria endrika faniratsirana no nianjady taminy. Ny “officier de permanence” izay sendra azy teo no nitontonan’ny hatezerany. Nasainy nofafana ilay valandrano. Ary amin’izay indray tamin’ny “calot” na satroka maha pôlisy no nanaovana an’izany. Haingana dia niparitaka tamin’ny pôlisy teo anivon’ny toby ny zava-nitranga. Na izany aza anefa, niova araka ny olona nanontanina ny hoe “pipi” tokoa ve sa ranon-javatra hafa. Tao no nilaza fa “café” ilay izy, ary nisy kosa ny nanizingizina fa tena valandrano tokoa. Miharatsy, araka ny efa voalaza etsy ambony, ny fifandraisan’ireto pôlisy eo anivon’ny toby iray ity. Raha ny marimarina kokoa, eo anivon’ilay tale sy ny olona feheziny. Raha ny tsilian-tsofina re aza dia efa mikononkonona ny hihetsiketsika ireo olony manoloana ny zava-misy sy izay lazain’izy ireo fa tsy fanajana. Asa raha efa tafiditra ao anatin’ny drafitra ity fanaovana maloto ny biraon’ny kaomisera ity (?!). Mila jeren’ny tomponandraikitra eo anivon’ny minisitera misahana ny filaminana anatiny akaiky ity tranga ity satria misy akony amin’ny tsy fahombiazana sy ny tsy fisian’ny vokatra. Ary tsy takona afenina izany satria toa tsy misy afa-tsy ny GIR ankehitriny no mihetsika rehefa misy ny ady amin’ny asan-jiolahy. Ity sampana izay efa navadika ho “direction” ary nakambana ho toby iray kosa dia tsy hita loatra izay nafitsony aloha hatreto. Na ny olona eo anivony aza dia mahatsiaro tena ho mipetra-potsiny sy miandry karama isam-bolana fotsiny.

No comments: