Thursday, September 29, 2011

Ankadifotsy : Telo lahy nitana antsy nanendaka mpitondra moto anaty “embouteillage”

Ny roa nibeda ary nanambana antsy, ilay fahatelo niezaka hampianjera ilay mpitondra moto. Soa fa nisy olona tonga saina nanampy an’ilay voatafika.

Mpitaingina môtô iray izay handeha hamonjy ny toeram-piasany etsy Antanimena no lasibatry ny asan-jiolahy tetsy Ankadifotsy, omaly tamin’ny efatra ora sy sasany tolakandro. Tao anatin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana no mody nisy niampita ny iray tamin’ireo olon-dratsy kanefa hibahana ny lalan’ilay môto no tena tanjony. Ny roa hafa indray, taoriana, avy hatrany dia nibeda ilay mpitaingina. Raha tena zohina ity asan-jiolahy ity dia ny môtô mihitsy no lasibatr’ireo olon-dratsy. Saingy nivoaka ilay lehilahy nitondra fiara tao anaty fitohanana ka nahita ilay asa ratsy. Nahita an’io izy telo lahy dia vaky rifatra nandositra. Ny rojo volamena izay tsy hita ivelany satria nafenin’ny akanjo no mbola hitan’ireo olon-dratsy ihany ka norohitiny avy hatrany. Nisy nahatsikaritra ihany fa efa elaela no nanaraka tsimoramora ilay môtô ireo olona ireo, saingy samy revo amin’ny fiainana ka tsy taitra loatra.

Toerana anjakan’ny mpanendaka indrindra rehefa hariva ny andro iny faritra Antanimena mihazo an’Ankadifotsy iny. Ny ho aty amin’ny lalana Ankorondrano tsy resahina intsony. Maro ireo efa nitondra faisana tamin’ny nafitsoky ny mpanendaka. Ny vehivavy mandeha irery na ao anaty fiara aza dia raiki-tahotra avokoa. Vao volana maromaro lasa izay, ramatoa handeha hiasa no voan’ireo mpanendaka. Mihidy tapany ny fitaratry ny fiara. Kinga amin’ny asa ratsy fanaony ilay mpanendaka satria zara raha tafatsofoka ny tanany dia lasany ny rojo volamena teny amin’ny tendan’ilay olona. Santionany iray amin’ny maro io taterina eto io.

No comments: