Saturday, September 17, 2011

Vita sonia ilay soridalana Afaka mody Ravalomanana

Afaka mody ny Filoha teo aloha Atoa Marc Ravalomana. Afaka mody tsy misy fepetra araka ny andininy faha-20 ao amin’ilay Soridalana tany Sandton nampahatsiahivin’Atoa Tomas Salomao sy nohamafisiny omaly nandritra ny lanonana fanaovana sonia ilay soridalana hivoahan’i Madagasikara amin’ny krizy tetsy amin’ny Hotely Le Paon d’Or Ivato. Nanomboka tamin’ny 11ora sy sasany alina ny fanaovan-tsonia. Misy andininy 48 ity soridalana ity ka nanao sonia izany ireo hery politika maro eto amintsika izay mahatratra hatrany amin’ny roapolo eo ho eo. Efa tany amin’ny 1 ora maraina mahery vao vita ny sonia tamin’ity lanonana notarihan’ny avy amin’ny Troika sy ny SADC. Singanina ao anatin’ity Soridalana ity ny hijanonan’Atoa Andry Rajoelina ho Filohan’ny Tetezamita, ny hanendrena Praiminisitra ifanarahana araka ny tolokevitr ‘ireo antoko politika nanao sonia ity Soridalana ity, ny hampijoroana governemantan’ny firaisam-pirenena, ny hanangana ny Cour Electorale Spéciale, ny Filankevitry ny Fampihavanana, ny tahiry manokana ho an’ireo niharam-boina tamin’ny raharaha 2002 ka hatamin’ny raharaha 2009....Voalazan’ity Soridalana ity ihany koa fa hanara-maso ny fanajana sy fampiharana ity soridalana ireo mpanelanelana teratany (Raiamandreny Mijoro, CNOSC, FFKM) sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ny hanokafana biraon’ny fanelanelana ny SADC eto amintsika. Andininy iray ao amin’ity Soridalana ity ihany koa ny handraisan’ny Fahefana Avo ny Tetezamita ny fepetra mba hahafahan’ireo Malagasy sesitany ka isan’izany Atoa Marc Ravalomanana mody an-tanindrazana . Nohazavaina tamin’ireo vondron-kery politika rehetra nandritra ny fotoana ny mikasika ilay fanitsiana ny ny andalana faha 20 ao anatin’ny Soridalana (Note Explicative).

Filoha efatra

Tsy nanao sonia ilay Soridalana ny ankolafy Ratsiraka na dia manaiky ny vontoatiny aza. Naneho ny faniriany ny solontenany mba ho ireo filoha efatra mirahalahy no mihaona ka hanao sonia izany araka ny taratasy novakiana raha nantsoina hanao sonia izy. Nitohy ihany anefa taorian’izany ny fanaovana sonia ilay soridalana. Marihina fa nanatrika ity lanonana omaly ireo mpikambana sasantsany ao amin’ny governemanta, ny maosivoho vahiny miasa eto amintsika. Nisehoana savorovoro madinika ihany teo amin’ny fanaovana sonia noho ny amin’ny solontenan’ireo antoko politika(UAMAD- Monima) ka voatery nandamina izany ny sekretera mpanatanteraky ny SADC. Niantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena moa ny SADC ao anatin’ity soridalana ity hamerina indray ny fanampiana an’i Madagasikara.
JUDD/H.R.

No comments: