Monday, September 12, 2011

Mpitolona ao amin’ny Magro Saika ho eny Ambohijatovo kanjo efa feno miaramila ny tanana



Hanao hetsika goavana ihany ry zareo amin’ity herinandro ity saingy hangataka fahazoan-dalana ara-dalana amin’ny tomponandraikitra.
Nofoanana tamin’ny ora farany ny hetsika saika hataon’ireo mpitolona ao amin’ny Magro tetsy amin’ny Kianjan’ny Demokrasia Ambohijatovo tamin’ny sabotsy. Araka ny nambaran’ireo mpitari-tolona: “nisy delegasionina avy amin’ny fitondrana FAT nandeha tany amin’ny Troïka nilaza fa afaka miteny malalaka ny mpanohitra eto Madagasikara ary afaka mivoaka ny Magro ireo mpitolona. Nilaza koa io iraka io fa hoe tsy misakana ny fodian-dRavalo ny fitondrana”. Ny fanaporofoana an’izay no saika nataon’ireo mafana fo saingy efa niatrana vao maraina eraky ny tanana ny mpitandro ny filaminana: hatreny Behoririka, Soarano, ary mazava loatra ireo miaramila tamina kamiao maro teny amin’ny vavahadin’Ambohijatovo. Nisy fanamafisam-peon’olona aza efa nalain-dry zareo ireto satria noheveriny fa an’ireo mpitolona.
Dia nampitandrina an’ireto mpitandro ny filaminana Ravalomanana tamin’ny fidirana an-telefaonina mivantana. “Mitandrema ianareo sao dia vidian-dafo ny zavatra atao. Ianareo milaza fa kianjan’ny demokrasia ny eo Ambohijatovo kanefa vao miomana ho eny fotsiny ny vahoaka dia ianareo no tonga aloha” hoy izy.

Fanakorontanana

Fa ankoatra an’izay, nilaza Ing. Zafilahy Stanislas tamin’ny kabariny fa misy mikotrika zavatra hafahafa mba handotoana ny ankolafy telo. Efa misy mpanakorontana voahomana ka raha vao mivoaka ny Magro ny vahoakan’ny Magro dia hanararaotra ry zareo. Efa nalaza hatramin’ny herinandro ambony ny fisiana andian’olona mitady handroba magazay ka aleo isika tsy mivoaka mihitsy aloha” hoy izy.
Dia mbola mikasa ny hanao hetsika goavana ihany ry zareo amin’ity herinandro ity saingy hangataka fahazoan-dalana ara-dalana amin’ny tomponandraikitra.

No comments: