Monday, September 05, 2011
Nirefotra ny basy - Miaramila Serzà nikasa hanao « kidnapping »
Fanamparam - pahefana no nataon ’ ny Miaramila Serzà iray am - perinasa monina eny Ampandrana Andrefana. Nanapoaka basy izy ary rangahy sy ramatoa iray izay tompon - tranony ihany no nokasainy halaina an - keriny. Tsy mbola voafaritra mazava kosa ny anton ’ izany.
Nivarahontsana ny mponina eny amin’ ny Fokontany Ampandrana Andrefana, raha nahare feom - basy ny alin’ ny sabotsy lasa teo. Poa - basy indroa no nataon’ ny Miaramila iray manana gradina Serzà. « Nitabataba tao aminy ity Miaramila ity ary nitaky ny tokony hamoahana ny basiny tamin’ ireo vady aman - janany », hoy ny voalaza. « Avoahy iny, fa basim - panjakana. Nandritra izany, dia nitomany ireo zaza amam - behivavy ireo ary mety ho namoaka ilay basy, satria niteny indray ilay rangahy avy hoe aiza ny bala ? Navoakan’ ilay vadiny izany ary niara - nanisa izy mivady, ka teo ho eo amin’ ny 60 no isan’ izany renay farany. Kotaba no nisy tao ary lasa nivoaka ny trano ireo vady aman - janany ireo avy eo », hoy ihany ny fanazavan’ ireo mponina teo amin’ ny manodidina.
Nikasa haka an - keriny
« Rehefa niato kely ny tabataba, dia iny ilay rangahy tompon - trano fa tazanay nentin’ ilay Miaramila ary nambanany tamin’ ny basy avy ao afara. Nony tonga teny amin’ ny parking, teo am - pamohana ny varavaran’ ny fiara iray ilay Serzà no nitsoaka ilay rangahy. Niverina tao amin’ ny tranon’ ilay tompon - trano izy ary nakapony ny varavarana. Ny vadin’ ilay rangahy indray no nokotrokotrohany tao, saingy tsy nety nivoaka. Tokony ho tamin’ ny 8 ora sy sasany alina teo ho eo, dia nanapoaka basy ilay Miaramila. Tamin’ ny 11 ora alina tany ho any kosa vao niferotra ny faharoa, izay efa nihanalefaka ny feony. Kolonely iray monina eny an - toerana niaraka tamin’ ny Fokontany sy ny vaomieran’ ny fandriampahalemana no namoaka ny vadin’ ilay rangahy tao amin’ ilay trano », hoy ihany ny fanampim - panazavana azo.
Tsy hita popoka
Nanomboka tamin’ io alina io, dia tsy hita popoka ireo tompon - trano. Nihidy tanteraka ny tranon’ izy ireo omaly. Raha ny fanadihadiana natao teny an - toerana, efa matetika no mifamaly ao an - trano ilay Miaramila sy ny vadiny ary efa mahazatra ny mpiara - monina amin’ izy ireo izany. Nahagaga ihany koa ny antony nitondran’ ity Serzà ity ny basiny nody tany an - tranony.
Voalaza, fa « Kalachnikov » ilay basy hita teny aminy tamin’ io alina io. Raha ny vaovao azo ihany, nampandre ny mpitandro filaminana mikasika ny fisian’ io poa - basy io ny olona teny an - toerana, kanefa nilaza ireto farany fa tsy afaka misambotra ilay Miaramila, noho ny fifanaraham - piaraha - miasa misy eo amin’ ny samy mpitandro filaminana. Ny zava - misy anefa, dia ny basy napoakan’ io Miaramila io no tokony handraisana andraikitra, ka aterina any amin’ ny toby misy azy ity Manampahefana nihoa - pefy ity.
Subscribe to:
Post Comments (Atom)
No comments:
Post a Comment