Tuesday, April 26, 2011

Nosavaina ny tranon’i Sarah Ravalomanana

Mbola mitohy hatrany ny fikarohana sy ny fanadihadiana manodidina ilay raharaha « marais massay », nikasan’ny sasany hifofoana ny ain’ny filoha Andry Rajoelina ny faha-3 marsa 2011. Nanao fisavàna trano nahiana ho misy ilay metisy iray voalaza fa tafiditra tamin’iny zava-doza iny ry zareo avy ao amin’ny Emmo.reg omaly. Teny Ambohimitsimbina teny izy io ary tena trano goavana be tokoa. Fantatra nandritra izany fa trano nonenan’ny zanaka vavitokan’ny filoha teo aloha, Sarah Ravalomanana ity nosavaina ity. Tsy tratra tao moa ilay metisy. Maro amin’ny fianakavian’ny filoha teo aloha avokoa moa no monina eny amin’iny faritra Ambohimitsimbina iny ; fantatra izany nandritra ny raharaha « radion’ny gasy ». Manodidina izay resaka izay ihany, nitondra fanamarihana ny mpitandro ny filaminana fa tsy nisy olona nosamborina mihitsy aloha hatreto momba ny fahatratrarana ireo « explosif » maro be tao amin’ny ALMA. Voahaja ihany koa ny lalana mifehy paikady heloka ; tsy araka ny vaovao navoakan’ny gazety sasany izay milaza fa tsy nanaja ny ora ny Emmo. Adinon’izay nanoratra izany ny voalazan’ny Art 212, mikasika ny fanohintohinana ny filaminana anatin’ny firenena (atteinte à la sûreté intérieure de l’Etat). Mpiasan’ny ALMA ihany no nitoraka izany tany amin’ny mpitandro ny filaminana rehefa tsy nifanaraka tamin’ny fizaram-bola. Tantely afa-drakotra tokoa mantsy ireto « explosif » ireto ka samy nivarotra daholo izay te hanao izany. Isan’ny fitaovana nampiasaina nandritra ireny asa fampihorohoroana ireny rahateo koa.

No comments: