Tuesday, April 19, 2011

Eo amin'ny dimy isan'andro eo ny ankizy vavy tsy hita eto Antananarivo

Araka ny fantatra dia ny ankizy vavy (14 - 17 taona) no tena maro very ka miala maraina dia tsy hita mandritra ny andro maromaro.
Ny ankizy vavy kely manomboka eo amin'ny telo ambin'ny folo taona hatramin'ny fito ambin'ny folo taona no betsaka tsy hita nanomboka ny faran'ny herinandro teo, araka ny nambaran'ny Polisy ao Tsaralalàna. Raha ny omaly alatsinainy 18 aprily teo izao dia ankizy enina no nanaovan'ny ray aman-dreniny fitarainana tao amin'ity paositra Polisy ity fa nandositra sy tsy hita na very. Ny dimy tamin'ireo dia zazavavy avokoa ary iray ihany no zazalahy kely telo taona, izay very.
Araka ny nambaran'ny Polisy ihany dia : '' misy amin'ireny ankizy tsy hita ireny no miaraka amin'ny namany mandehandeha dia mody rehefa afaka andro vitsy, nefa misy koa ny tena tsy hita intsony izay nalehany fa mety ho nangalarin'olona. Ao kosa no mandeha miaraka amin'ny olon-tiany na dia mbola zaza tsy ampy taona aza ''. Raha hita moa ilay zaza very amin'ity tranga farany ity dia atao ''enquête'' izy ireo ary dia atolotra ny fitsarana ny raharaha. Araka ny fantatra dia ny ankizy vavy (14 - 17 taona) no tena maro very ka miala maraina dia tsy hita mandritra ny andro maromaro. Raha ny antontan'isa ao amin'ny paositry ny Polisy Tsaralalàna dia efa nahatratra 329 ny zaza very sy nandositra ary tsy hita nanomboka tamin'ny fiandohan'ity taona 2011 ity hatramin'ny omaly alatsinainy teo. Raha ireo ankizy vavy tsy hita nandritra ny andro maromaro kosa dia efa maro no tsy virijiny intsony noho ny firaisana ara-nofo nataony na nihatra taminy nandritra ny fotoana tsy nahitana azy.

No comments: