
Omaly dia mbola tsy nahatsiaro tena izy sady tsy nihinan-kanina, hoy ny havany.
Taorian’ny fampidirana azy maika teny amin’ny hôpitaly Befelatanana dia nafindra teny amin’ny hôpitaly HJRA Ampefiloha izy, omaly tolakandro, araka ny nambaran’ny CST Rakotonandrasana taminay. Sady fianakaviana akaiky ny Kly Charles rahateo io CST avy any Manakara io, araka ny nambarany. Raha ny fanazavan’ity fianakaviany ity ihany dia miharatsy ny toe-pahasalaman’ny Lt-Kly Charles. Misy mandoaka amin’ny vavoniny, ary misy voa ny atiny sy ny tsinainy. Nalefa eny amin’ny efitrano famelomana aina (réanimation) eny amin’ny “Urgences” ao amin’ny HJRA izy omaly io.
Efa mafy ny aretina matoa tsy notazonina teny Tsiafahy izy na dia misy “infirmerie” aza eny, araka ny nambaran’ny fianakaviany.. Omaly dia mbola tsy nahatsiaro tena izy sady tsy nihinan-kanina, hoy ny havany. Mbola nasiana seroma ny tenany
Manaitra sy mampieritreritra ny tomponandraiki-panjakana rehetra ny fianakaviany manoloana izao aretina mafy manjo ity Lt-Kly ity izao. “Inona no zava-dratsy vitanay tamin’ny firenena no toy izao no anaovana ny havanay nefa mba nahavita soa tamin’ny firenena ihany ny Kly Charles?”, hoy ihany ny fianakaviany. Mametra-panontaniana ihany koa izy hoe: “Misy ve ny zon’olombelona?” Ary mbola narahiny hoe “Iza no tokony hatahorana, ny lalàna ve sa ny fanjakana sa Andriamanitra?”. Tsiahivina ihany fa ny talata tolakandro teo no naiditra tampoka teny amin’ny hôpitaly Befelatanana ny Lt-Kly Charles.

La famille a ronchonné hier soir, dénonçant l’hospitalisation tardive du lieutenant-colonel. Certains membres soupçonnant même à demi-mots un « empoisonnement » destiné à éliminer l’officier. Rappelons en effet qu’en application des « mesures d’apaisement », ce lieutenant-colonel et ses compagnons putschistes devraient être libérés dans les prochains jours. Qui sait, on craint peut-être qu’une fois élargi, cet officier fougueux ne se mette de nouveau à comploter contre le régime…
No comments:
Post a Comment