Thursday, December 01, 2011

Ambatondrazaka : Tomponandraikitra nively tavoahangy mpandraharaha

Tamin’ny zoma lasa teo no niseho ny zavatra tsy nampoizina tao amin’ny lanonana fanaovam-belona. Olona ambony maro avy ao Ambatondrazaka no nasaina tao amina « restaurant » iray. Rehefa nandeha kelikely anefa ny fety dia nisy feo niakatra. Tsy vitan’izany fa nisy tomponandraikitra iray ao an-tanana nively tavoahangy ny lohana mpandraharaha iray. Araka ny fitantaran’ny fianakavian’ilay mpandraharaha, vaky be ny lohany ary nijininika ny rà. Nianjera tamin’ny tany ary tsy nahatsiaro tena izy avy eo. Nobataina ary nentina haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana. Voalazan’ny dokotera nitsabo azy fa misy rà miandrona ao anaty lohany ao ka tsy vita tany an-toerana ny fikarakarana izany. Ny alin’ny zoma ihany dia nalefa taty an-drenivohitra eny amin’ny HJRA ilay naratra. Hatramin’izao dia hita fa tena mbola reraka tokoa izy, hoy ihany ireo havany tafaresaka taminay.

Tsy fantatra marina kosa anefa ny fototry ny tsy fifanarahana ka nahatonga izao fivelesana tavoahangy izao.

No comments: