Saturday, July 16, 2011

Nandeha taksy - Vazaha nisy nitifitra teny Anosizato


Samedi, 16 Juillet 2011
Mpivady teratany vahiny no nisy nikasa hamono teny Anosizato, ny alin' ny talata lasa teo. Teo am - pidirana ny trano fandraisam - bahiny iray eny an - toerana izy ireo no nisy nitifitra tampoka ny taksy nandehanany. Araka ny vaovao azo, bala miisa roa no hita tamin' ilay « 4L » nitondra azy mivady. Vao nitranga izany fitifirana izany, dia nobaikoin' ireo vazaha ilay mpamily mba tsy hiditra ao amin' ilay hotely, fa hanohy ny diany hatrany. Nihazo ny Fasan' ny Karàna ny lalan' izy ireo ary teny Andraharo indray vao niala ireo vazaha.
Araka ny fantatra, teny Andraharo ihany no noraisin' ity saoferana taksy ity izy mivady. Tsy voafaritra mazava kosa ny anton - diany tao amin' io trano fandraisam - bahiny io. Voalaza fa, miaina ao anatin' ny horohoro tanteraka ny mpamily taksy amin' izao fotoana izao, indrindra moa fa raha mitondra teratany vahiny. Araka ny vaovao azo, eny amin' iny faritra Ambanidia sy ny manodidina iny no mateti - pitranga ny fitifirana taksy toy izao. Hatreto aloha, mbola tsy nisy ny olona voasambotra momba izao raharaha izao.

No comments: