Friday, July 15, 2011

Nahitana diamondra any Atsimo



Mampihazakazaka ny vahiny ny
harem-be tsy voatrandraka eto Madagasikara

Raha ny tena marina dia tany manankarena-mahantra i Madagasikara.
Nahitana diamondra indray izao any amin’iny tapany atsimon’i Madagasikara iny. Mbola maro ny harena tsy voatrandraka eto amintsika izay mampihazakazaka ny vahiny hankaty. Orinasa karana iray antsoina hoe Varun, no nilaza fa nahita diamondra, araka ny notaterin’ny radio RFI andro vitsy monja izao. Ny marimarina kokoa dia fasika miaraka amin’ny harena ankibon’ny tany tsy hita pesipesenina no hitan’ity orinasa ity tany an-toerana, izay mahatratra 266 tapitrisa taonina eo ny habetsahan’ny tahiry ao aminy. Karazana akora sy vy isan-karazany no hita amin’izany toy ny zircon, titane, thorium, tungstène, safira, grenat, ary diamondra. Hatrany amin’ny 62 kilaometatra ny velaran’ny toerana misy azy io, any amin’iny farany atsimon’i Madagasikara iny.

Hitondra inona?

Hatreto dia mbola tsy nisy mpitrandraka harena ankibon’ny tany nilaza fa nahita diamondra teto Madagasikara raha tsy izao vao sao sambany izao.
Hitondra inona ho an’i Madagasikara moa ny fahitana harena an-kibon’ny tany toy ny diamondra raha toa ka ho sahala amin’ny zava-misy momba ny safira. Ny zava-doza aza, raha sanatria ka mitranga tokoa izay voalazan’ny famakafakana sy ny vinavinan’ny Malagasy manampahaizana momba ny toe-karena sady mpitarika pôlitika iray anisan’ny nalaza teto amin’ny firenena fa hoe ny firenena aty Afrika nahitana na manana solitany na harena ankibon’ny tany toy ny diamondra dia tsy hilamina mihitsy fa hiady an-trano. Ho avy daholo ireo firenena vaventy samy hitady ny tombontsoany amin’izany, hoy izy. Talohan’ny krizy no nivoahan’izay fanambarana izay.

No comments: