Wednesday, February 23, 2011

Vao 16 taona monja dia efa nanao piraty ilay soamalianina


Ny alatsinainy antoandro lasa teo dia nisy vedety nitondra olona 6 niditra tao amin ’ ny seranan - tsambon ’ Antsiranana. Niala tao anaty vedety ny iray tamin ’ ireo mpandeha ary namantana avy hatrany tao amin ’ ny Borigadin ’ ny Zandary ao amin ’ io seranana io. Izy no nampilaza fa piraty somaliana ny anankiroa amin ’ izy ireo. Nandray andraikitra avy hatrany ny Zandary nisambotra ireo voatonontonona fa jiolahin - tsambo. Lany vatsy teny afovoan - dranomasina ry zareo, ka voatery namonjy ny morontsirak ’ i Madagasikara nitady sakafo sy solika, araka ny filazan ’ ny Kaomandàn ’ ny sambo « Zoulfecar », isan ’ ireo tao anatin ’ ilay vedety. Ity sambo « Zoulfecar » ity dia azon ’ ireo piraty somaliana babo tamin ’ ny 25 oktobra 2010 tany an - dranomasina tany. Araho ny fanadihadiana… Piraty somaliana anankiroa, 16 sy 22 taona, no saron’ ny Zandary miasa ao amin’ ny seranan - tsambon’ Antsiranana ny alatsinainy antoandro lasa teo, tamin’ ny 12 ora sy fahefany niaraka tamina teratany malagasy iray, kaomôriana roa ary tanzaniana iray nandeha vedety.
« Lany vatsy tany afovoan - dranomasina tany ry zareo, ka voatery nitady toerana hitadiavan - tsakafo sy solika amin’ izay Nosy na tany tsy lavitra ny misy azy ireo, ary izao tonga tao Antsiranana izao. Izy efa - dahy dia tantsambo tao anatin’ ilay sambo kaomôriana antsoina hoe Zoulfecar azon’ ny piraty somaliana babo tamin’ ny 25 oktobra 2010 teo anelanelan’ i Dar ès Salam ( Zanzibar ) sy Moroni ( Kaomôro )», araka ny fanadihadiana natao. Ity Kaomandà ity no nivoaka voalohany tao anaty vedety ary nampandre tao amin’ ny Borigadin’ ny Zandary ao amin’ ny seranana. Ireto farany avy eo no nandray andraikitra. Voalaza, fa Kaomandàn’ ilay sambo « Zoulfecar » ny iray amin’ ireo Kaomôriana tonga tamin’ ity vedety ity. Izy no nanambara tamin’ ireo piraty, fa « tsy lavitra eto no misy an’ i Madagasikara, toerana mety ahitana sakafo sy solika ». Soalihi Boinaheri no anarany. Tazomin’ ny Zandary ao Antsiranana ry zareo miandry ireo mpitandro filaminana miandraikitra ny ady amin’ ny piraty eto Madagasikara avy aty Antananarivo. Araka ny vaovao azo, dia « tsy mahay afa - tsy teny somaliana ireto piraty sarona ireto ka isan’ ny tena manahirana ny miresaka aminy ».
Nitaky vola 12 tapitrisa Dolara
Araka ny fitantaran’ ny Kaomandà Soalihi Boinaheri, tamin’ ny mpitandro filaminana ao Antsiranana, dia « piraty somaliana miisa 12 nandeha vedety no nanafika azy ireo. 31 kosa no fitambaran’ ny olona azo babo tao anatin’ i Zoulfecar, ka ny 9 tamin’ ireo dia tantsambo avokoa ary ny ambiny kosa mpandeha. Teratany malagasy ny efatra tamin’ ireo tantsambo ireo izay nahitana an’ i Hassani Bao, Dodo Léonard, Abdou Ali sy Zobi. Vola mitentina 12 tapitrisa Dolara no notakian’ ireo jiolahin - tsambo tamin’ izany. Tsy nisy anefa ilay vola ka nifampihazohazo teny afovoan - dranomasina teny ry zareo nandritra izay efa - bolana izay ( 25 oktobra 2010 - 20 febroary 2011 ). Nony farany lany ny vatsy, ka nifampiresaka nitady vahaolana nitady toerana ahitan - tsakafo sy solika. Ilay Kaomandàn’ ny sambo no efa mahalala tsara ny fari - dranomasina nisy azy tamin’ io fotoana io, ka izay no nahatonga azy ireo nihazo an’ Antsiranana ».
Nariana tany anaty rano ny basy
Voalaza, fa « nalefa tamin’ ilay vedety izy enin - dahy ireo mba hitady vatsy, ka izao tonga tany Antsiranana izao. Mialoha ny hidiran’ izy ireo tao amin’ ny seranan - tsambo anefa dia notenenina ireo piraty roa lahy nanaraka mba hanary ny basy sy ny fitaovam - piadiana teny am - pelatanan’ izy ireo mba tsy hisian’ ny ahiahy amin’ ireo izay mahita ». Ny alin’ ny alahady lasa teo no niala ilay fari - dranomasiana nitazomana azy izy enin - dahy ireto. Raha ny vinavinan’ ilay Kaomandà dia any amin’ ny « 60 miles »( manodidina ny 80 kilaometatra ) avaratra atsinanan’ i Madagasikara no misy ilay toerana. Ity sambo « Zoulfecar » ity dia teratany malagasy no tompony taloha, ka « Soalala » no anarany tamin’ izany fotoana. Amin’ izao fotoana izao dia efa novidian’ ny teratany kaomôriana iray izy io, ka lasa mivezivezy any Afrika any. Andrasana ny mety ho tohin’ ny tantara !

No comments: