Monday, February 07, 2011

Mariazy tena tsotra


Mahalala ny tokony hatao. Niroso tamin’ny fisoratam-panambadiana sy ny mariazy Rafanomezantsoa Donné sy Ravelo Natacha ny asabotsy lasa teo. Mba ho firosoana amin’ny ara-dalàna no anton’izany ankoatry ny fifankantiavana nisy teo amin’izy roa kely. « Na mahantra aza izahay dia tsy mahasakana anay hiroso amin’ny fanambadiana ara-dalàna izany, dia ny soratra ara-panjakana sy ny mariazy any am-piangonana », hoy Razafimanantsoa Donné nanazava.
« Teo amin’ny herintaona sy tapany teo no efa nanomananay izao. Tamin’ny alalan’ny tahiry kely nangonina avy amin’ny asa an-tselika natao tetsy sy teroa no nahatanteraka izany. Ny akanjo mariazy ohatra dia efa tamin’ny volana novambra 2010 no novidiana rehefa vita avokoa ny fikarakarana ny antontan-taratasy rehetra nilaina. Samy tsy avy eto Antananarivo mantsy ny fianakavianay ka tsy maintsy mbola nivezivezy », hoy hatrany ny fanamarihana nataony.
Nahatalanjona ny rehetra
Gaga ny olon-drehetra teny an-dàlana raha nahatazana azy roa kely tsy nisy nanaraka na dia olona iray aza, nefa dia nifampitantana nandeha an-tongotra namakivaky ny sisin'ny arabe. « Tena nahagaga tokoa ny nahita azy roa kely nandalo teto satria tsy nisy olona na dia iray akory aza nanaraka azy avy aoriana. Sady toa nampihomehy ny fijery azy no nampalahelo noho izy mandeha an-tongotra mifampitantana miaraka amin’ny akanjo mariazy », hoy Raharimanda Tsiferana, mpivarotra enta-madinika eny Alarobia sendra nahita azy ireo nandalo.
« Hafakely ny azy roa satria sahy sy vonona hiroso ho amin'ny ara-dalàna tokoa izy matoa mahavita mandeha an-tongotra mifampitantana manaraka arabe nefa tsy misy mpanotrona. Ontsa anefa ny fo raha mieritreritra sy mijery azy noho ny fahitàna ny fikirizany ho amin'izany, satria hita fa tena sahirana tokoa izy ireo nefa nahavita ny tokony natao », hoy kosa ireo mpifanolo-bodirindrina amin’izy ireo eny Morarano.
Teny amin’ny boriborintany faha-V teny Ambatomainty no natao ny fisoratan’ireto tanora ireto ary teny amin’ny fiangonana pentekotista teny Ankorondrano kosa no nanaovana ny fanamasinana ny fanambadiany.
Volana Rakotoharimanana

No comments: