Monday, February 07, 2011

15lahy mirongo basi-miaramila nanafika ben’ny tanàna


Notohofana tamin’ny basy ilay vadin’ny ben’ny tanàna nampinono an-janany.
Andian-jiolahy efa mananika ny dimy ambinifolo tany ho any nirongo basy Kalach miisa 7, P.A miisa roa, “fusil à pompe”, sabatra ary baramina no nanafika ny ben’ny tanànan’Antanetibe- Mahazaza, any Mahitsy, omaly tokony ho tamin’ny 11ora alina. Toy izao ny zava-nitranga raha ny fanazavana azo: roa ambin’ny folo lahy teo no tafiditra tao an-tranony fa ny sisa kosa niandry tany ivelany. Nisaron-tava ny iray tamin’ireo jiolahy. Mbola tsy natory Atoa ben’ny tanàna tamin’io fa vao avy nisaika no nandre olona namoha ny vavahadiny. Tonga dia nitsirika teo am-baravaran-kely izy ary nanontany ireo olona. Avy hatrany anefa dia norahonan’ireo jiolahy basy izy mba hiditra ao an-trano. Rehefa izany dia novakian’ireo mpanafika ny vavahady nidirany. Ireo tao an-trano kosa efa tsy nisy azo natao intsony fa dia niandry fotsiny ny nidiran’ireo jiolahy.

Norahonany

Vao tafiditra ry zalahy dia norahonany tamin’ny basy avokoa izy mianankavy sady notereny hamoaka ny vola. Ilay vadin’ny Ben’ny tanàna aza voalaza fa notohofana basy teo amin’ny fihirifany nefa nampinono an-janany. Tsy nisy afa-tsy lelavola 1 tapitrisa Ariary niampy firavaka volamena maromaro no azon’ireo jiolahy tao. Tsy afa-po tamin’ireo anefa ry zalahy ka norahonany hovonoina indray izy mianakavy, ary notereny hitari-dàlana azy hifindra tamin’ny tranon’ny Ray aman-dReniny teo akaiky teo indray Ingahy ben’ny tanàna. Tokantrano telo no indray notetezin’ireo jiolahy tamin’io ka samy nahazoany vola. Tapitra nankorontan’izy ireo avokoa ny entana rehetra tamin’ireo trano nolalovany nikarohany ny vola. Tsy mbola fantatra mazava kosa ny teti-bidin’ny vola rehetra lasan’ireo jiolahy tamin’io. Nandritra izany rehetra dia nanapoaka basy hatrany ireo jiolahy ary tsy navelany mihitsy Ingahy ben’ny tanàna sy ny vadiny fa nentin’izy ireo nanaraka azy nitety ny trano.

Tsy tratra

Tetsy andanin’izany, nanomboka taitra ny fokonolona raha nandre ny feom-basy kanefa tsy nisy sahy nivoaka noho ny tahotra fa samy nihainohaino tany an-tranony. Ireo jiolahy kosa rehefa nahazo izay notadiaviny dia lasa nitsoaka nandositra. Efa ho ora iray taorian’izany vao tonga ny zandary avy any Mahitsy kanefa efa tsy hita intsony ny làlana nizoran’ireo jiolahy. Mbola mitohy hatrany moa ny fikarohana ataon’ny mpitandro ny filaminana hatramin’izao. Efa tena mandry tsy lavo loha tokoa ny vahoaka amin’izao fotoana izao noho ny tsy fisian’ny fandriampahalemana satria na ny eto an-drenivohitra na hatrany Ambanivohitra lavitra toy itony aza dia tongan’ny jiolahy mirongo fiadiana mahery vaika. Ny tena olana ho an’ny any Ambanivohitra anefa dia noho ny fahalaviran’ny mpitandro ny filaminana ka tokony hasiam-piheverana ihany. Soa ihany aza fa tsy nisy ny aina nafoy na ny olona naratra tamin’ity fanafihana ity.

No comments: