Monday, November 28, 2011

Ambohidratrimo Une intoxication frappe 175 invités de l'OTIV

Toutes les agences de l'OTIV Mahasoa ont fermé leurs portes, hier. La moitié des participants à leur assemblée générale, samedi, ont été intoxiqués par les mets servis.
L'assemblée générale de l'OTIV Mahasoa, qui s'est tenue à Mandri­ambero Ambohidratrimo, samedi, a viré au drame. Atteintes d'intoxication alimentaire, 175 personnes présentes à la cérémonie organisée par cet organisme de micro-finance se trouvent dans un état préoccupant, selon l'Agence de contrôle sanitaire et de qualité des denrées alimentaires (ACSQDA), rattachée au ministère de la Santé. Les victimes indiquent que les symptômes se manifestaient par des maux de tête, des diarrhées répétées et des vomissements chroniques con­jugués à des troubles gastriques.
Mayonnaise
Clouées sur leur lit depuis samedi, les victimes n'ont pas pu rejoindre leurs lieux de travail, hier. Ainsi, les cinq agences de l'OTIV Mahasoa, dont celles de Mahitsy, Ambohidratrimo, Ivato, Ambohibao et Ambohitrimanjaka, ont été contraintes à cesser leurs activités, hier.
En début de matinée, des gens qui avaient à faire dans ces agences ont été surpris de voir un communiqué, placardé à l'entrée. Sur une affiche, il est écrit en lettres capitales que les souscripteurs à l'OTIV Mahasoa sont informés qu'en raison de problèmes de santé, touchant le personnel, toutes les caisses sont fermées pour la journée de 28 novembre. Vers la fin, l'organisme adresse toutes ses excuses à sa clientèle.
« Samedi, tous les membres du personnel de l'OTIV Mahasoa se sont rassemblés à Mandri­ambero pour élire les dirigeants. En début d'après-midi, vers 14h30, tout le monde s'est partagé un pot. Du hamburger garni avec du steak, de la salade, de la carotte râpée ainsi que de la mayonnaise ont été servis avec des amuse-gueules. Les invités se sont désaltérés avec des boissons gazeuses », indique un responsable de la sécurité, présent à la cérémonie.
Les mets ont été préparés par un traiteur, installé à Ambohibao. Selon ses explications, la mayonnaise battue au petit matin, vers deux heures, n’a été servie avec le hamburger que douze heures plus tard. Du coup, il estime qu'il est fort possible que celle-ci ait tourné sous l'effet de la chaleur.
Pour sa part, le docteur Miraho Felaniaina Rajemi­arimoelisoa, responsable des maladies d'origine alimentaire au sein de l'ACSQDA, met en avant que toute nourriture doit être préparée dans le respect des règles d'hygiène afin de prévenir de tels drames.


Andravoahangy : Olona 20 narary nihinana « composé »

Ahiana ho ny « mayonnaise » nampiasaina no nahatonga ny aretina.

Olona 20 tany ho any no naiditra tetsy amin’ny HJRA, ny asabotsy lasa teo. Voalaza fa narary noho ny fihinanana « composé » teny Andravoahangy izy ireo. Ny ankamaroan’ireo marary dia nandoa sy nivalana ary narary an-doha be sady mangovingovitra. Ny alakamisy lasa teo no voalaza fa nihinana ity sakafo amoron-dalana ity ireto olona ireto. Ny asabotsy anefa vao niseho ny aretina ary dia tonga tsikelikely teny amin’ny hopitaly izy ireo. Teny vao nifampiresaka ary nifankahafantatra fa samy nihinana ilay « composé » teny Andravoahangy. Na ilay mpivarotra, izay nihinana ny ambin-tsakafo tsy lany ihany koa aza dia narary ka isan’ireo naiditra hopitaly. Ahiana ho ny « mayonnaise » izay nampiasaina no namparary ireto olona marobe ireto. Voalazan’ny mpitsabo fa ny hafanana sy ny sakafo mialina andro ary ny fampiasana fitaovana plastika no tena mampitombo ny mikroba ary mahatoga ny aretina.

Ankoatra ireto olona narary teny Andravoahangy ireto dia nisy olona telo hafa ihany koa narary vokatry ny fihinanana hazan-dranomasina, teny Antanimena, ny harivan’ny sabotsy teo. Namonjy fetim-piangonana ireto olona telo ireto, izay mpivady niampy tovolahy iray, ka ny sakafo nohaniny tany no namparary azy ireo. Mitovy amin’ny nahazo ireo voalaza tetsy ambony ihany ny fisehon’ny aretina, mivalana sy mandoa ary marary an-doha be.

Farany dia olona roa no narary vokatry ny fihinanana sakafo voapoizina. Tany amina lanonam-panambadiana no nahavoa ireto olona ireto. Ireny « self service » ireny ny fomba fihinanana tany ka tsy voafaritra hoe inona marina tamin’ireo sakafo marobe nohanina no nampararay azy ireo ? Ny alahady maraina moa vao nitranga ny aretina ary soa fa voatsabo haingana.

Tsy nisy namoy ny ainy aloha ireto olona 25 narary noho ny fanapoizinana ara-tsakafo ireto fa saika avotra soa aman-tsara avokoa. Ny fitandremana ny fahadiovana sy ny fitehirizana ny sakafo ihany ary ny fifantenana ny akora ampiasaina no hany azo isorohana ny tranga toy izao, raha ny voalazan’ny mpitsabo.

No comments: