Thursday, August 04, 2011

Tsiroanomandidy : Rangahy iray voatifitry ny miaramilan’ny DAS

Jeudi, 04 Août 2011

Raim-pianakaviana iray 45 taona no maty voatifitry ny miaramila mitondra ny grady kaporaly avy ao amin’ny DAS na Detachement Autonome de Securité, tany Belavenona - Tsiroanomandidy afakomaly. Teo amin’ny tratrany no niditra ny bala ary nivoaka tany an-damosiny araka ny vaovao voaray.

Araka ny voalaza, noahiahian’ity miaramila ity ho isan’ireo nangalatra omby tao amin’ny tananan’Ambatomitsangakely (kaominina Bevato), toerana izay tsy dia lavitra an’i Belavenona ity raim-pianakaviana ity, ka izay no antony nitifirany azy. Sendra nipetrapetraka teo amin’ny “chalet”, teo an-tokontanin’ny biraon’ny fokontany tany an-toerana moa ity lehilahy ity no izao voatifitra izao. Mbola tsy voaporofo mazava moa na tena tafiditra na tsia tamin’ity resaka halatra omby ity ilay raim-pianakaviana, fa mbola eo am-panaovana fanadihadiana ny mpitandro filaminana any an-toerana amin’izao fotoana izao.

Miaramila avy ao amin’ny CAPSAT, ary nalefa hamita iraka any an-toerana (DAS) ity miaramila kaporaly nahafaty olona ity. Manohitra tanteraka izao famonoana olona ankitsirano izao moa ny mponina any an-toerana. Ka ho fiarovana ny ain’ilay miaramila, sy mba hahamora ny fanatanterahana ny fanadihadiana dia notazonina any amin’ny biraon’ny zandary ilay miaramila.

No comments: