Tuesday, August 09, 2011

Fandrobana volan’ny C.T. : Vehivavy no atidoha nikotrika



Mbola karohina amin’izao fotoana izao Ra-Maître, Tantely ary I Setra.

Niampy enina mianadahy indray ireo olona voarohirohy tamin’ny fandrobana ny karaman’ny Kaongresin’ny Tetezamita (C.T) tamin’ny faha 20 Jolay lasa teo. Misy ireo fito efa any am-ponja ka mpiasa ao amin’ny Kongresin’ny Tetezamita ny dimy. Ny iray tamin’ireo olona voasambotra ireo, antsoina hoe Lalaina, no nanondro ny vehivavy iray antsoina hoe Samira, izay nambarany fa nanangona ireo olona nanantanteraka ny asa ratsy fandrobana. Tamin’ny 03 Aogositra 2011 dia voasambotra teny Ivato i Samira. Nanda ny fiampangana azy izy nefa niaiky ihany rehefa nampifanatrehana tamin’i Lalaina. Araka ny nambaran’i Samira dia i Bien Aimé no naniraka azy hitady olona tamin’ny 16 Jolay, Bien Aimé indray no nanondro an-dRabetsy ho mpaniraka azy, Rabetsy kosa indray avy eo no nanondro an’i Fabien sy Gaston ary Jacquot izay samy mpiasa ao amin’ny Kongresin’ny Tetezamita. Ny 19 Jolay lasa teo dia nivory niaraka nandrafitra ny paikady hanantanterahana ny fandrobana i Fabien sy Samira ary ny lehilahy iray antsoina hoe Ra-Maitre izay mbola tsy tratra. Nizara tamin’ny toerana telo ry zareo tamin’ny andro voatondro hanantanterahana ny fandrobana ka i Fabien nijanona teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza nijery ny fiaingan’ny Fiara, Ra-maitre sy Rabetsy teny Antaninarenina nanaramaso ny fiverenan’ny Fiara ho eny Tsimbazaza ary Samira kosa teny Anosy mandray torimarika avy any Antaninarenina, avy amin’dry Ra-maitre sy Rabetsy, ka mijery ny fotoana nandalovan’ny fiara, avy eo dia manome toromarika ireo olona mpanantanteraka izay efa miandry teny Tsimbazaza akaikin’ny Minisiteran’ny Fizahan-tany. Tamin’ny alalan’i Samira no nahasamborana an’i Bien Aimé, Fabien, Rabetsy, ary Gaston sy Jacquot. Mbola nahitana ambim-bola 3 Millions Fmg tany amin’i Samira ary 5 Millions Fmg kosa no tany amin’i Bien Aimé. Ny mbola karohina ka anentanana ny rehetra hanome vaovao dia i Tantely, Setra ary Ra-Maitre izay nanantanteraka ny asa fandrobana.

No comments: