Friday, August 05, 2011

Ambatondrazaka : Voatifitra totohondry izay tsy manome rakitra

Tranga hafa dia hafa no niseho tany Ambatondrazaka tamin’ny alarobia maraina lasa teo. Nisy rangahy iray tena tomady tokoa tonga nitoriteny tsy lavitra ny tsena. Teny an-tanany nisy baiboly. Nitangorona ny olona nihaino azy. Rehefa maroamro dia avy izy manaty rakitra. Teo no nisy zavatra hafahafa. Izay tsy mandatsaka rakitra mantsy, avy hatrany dia voan’ny totohondry amin’ny vavany. Roa no naratra. Samy taitra ny rehetra ary dia samy nijery lalana handosirana. Nisavoritaka mihitsy ny tsena tamin’io fotona io. Tamin’izay fotoana izay, asa izay nahazo an’Ingahy mpitory teny fa novakiany ny jirona moto taxi efatra teo akaikiny teo. Farany anefa, nisy sahy nisambotra azy ary nanala azy teny an-tsena. Ny tolakandro anefa, niverina indray ny anao lahy ary nanomboka nitory teny indray. Nanomboka tsy faly tamin’ity rangahy ity ny olona ka avy hatrany dia nanao tambabe nidaroka an’ilay lehilahy. Naratra izy vokatr’izany ny anao lahy ary farany nanao tari-dositra niala teo an-tsena.

No comments: