Wednesday, February 01, 2012

Tovovavy kendain’ny angatra : Torana mandritra ny adin’ny 4 isan’andro

Maty tamin’ny fomba mampiahiahy tamin’ny volana oktobra taona lasa teo ny zana-drahavavin-drenin’i Lovasoa, tovovavy 15 taona monina eny Imerimanjaka. Herinandro taorian’io anefa dia niseho taminy foana ilay tovovavy isan’andro, ary miantso azy hoe « andao hanaraka ahy ! ». Tsy mety manaiky anafa i Lovasoa noho ny tahotra, ka ny niafarany dia nokendakendain’ilay angatra foana izy isan-kariva, manodidina ny amin’ny 5 ora eo ka tsy avelany raha tsy torana. Maharitra adin’ny efatra anefa vao taitra ilay zazavavikely amin’izany ary verivery saina rehefa mifoha avy ao. Nentin’ny reniny notsaboina teny amin’ny mpanandro i Lovasoa ka nahazo fanafody isan-karazany saingy mbola miverina manaloka sy manakenda azy foana ilay « angatra ». Efa betsaka ireo olona notetezina ary tapaka mihitsy aza ny fianaran’i Lovasoa noho io zavatra mahazo azy io. Ala nenina farany nataon’ny fianakaviany dia nanatona an’i Mme Noelah etsy amin’ny 67 ha, ka vao nahazo fitsaboana i Lovasoa dia ny harivan’iny ihany dia tsy nitranga intsony ilay matoatoa, ary tsy niverina intsony hatramin’izao. Azo antsoina amin’ny laharana 033.13.090.13 – 034.61.328.62 ity mpitsabo ity, na koa atonina mivantana ao amin’ny toerana fandraisany olona. Marobe ny trangan-javatra hafahafa toy izany no mahazo ny olona saingy rehefa tsaboin’ity vehivavy etsy amin’ny 67ha ity dia sitrana avokoa.

No comments: