Wednesday, October 13, 2010

Olona ambony !!!


Nitohana izay tsy izy ny fifamoivoizana teny Ambolonkandrina omaly maraina tokony ho tamin’ ny 8 ora sy sasany. Samy niezaka nifampiteny sy nifandamina ireo mpamily rehetra izay tratran’ io olan’ ny fitohanana io.Tao ny taksibe, ny fiaran’ olon - tsotra ary ny taksy. Ity farany no nidiran - doza fa lasibatry ny herisetra nataona rangahy iray izay voalaza fa olona ambony, mitana andraikitra goavana etsy amin’ ny Faritany etsy Ambohidahy. Araka ny voalaza, dia fiara madinika tsara tarehy nitondra ny laharana 2729 Tae no nentin’ ity olona ambony ity. Nivoaka ny fiarany izy ary nanao teny maharary sy miendrika fanambaniana tamin’ ireo mpamily taksy sy taksibe. Nampangainy ireto farany fa tena anisan’ ny fositra mahatonga ny fitohanan’ ny fifamoivoizana ary nolazainy mazava fa jiolahimboto. Mba voatohina ihany ny fon’ ilay saoferana taksy ka namaly azy mora foana. Tezitra ilay rangahy ka avy hatrany dia namely totohondry mafy ny tavan’ ilay mpamily taksy. Vaky noho izany ny vavan’ ity farany. Tataka mihitsy aza ny molony ambony. Nivoa - dra be ilay ratra ary saika fanina mihitsy ilay ranamana. Tokony ho nanao kabary tsy valiana an’ ity olona ambony ity nanoloana izay teny miendrika fanambaniana ireo mpitatitr’ olona ireo ilay mpamily. Tezitra mafy ireo olona teny Ambolonkandrina nahita ny fihetsika nataon’ ity rangahy izay voalaza fa olona ambony ity ka saika niharan’ ny fitsaram - bahoaka teo noho eo. Nisy mihitsy aza no efa nitady lasantsy mba handorana ny fiaran’ ilay lehilahy, saingy raha vao nahare izany izy dia rifatra nilefa, namelona fiara haingana. Ilay mpamily taksy lasibatra kosa dia nandeha faingana teny amin’ ny Hjra Ampefiloha. Avy hatrany dia nahazo ny fitsaboana sahaza ho azy izy ary nozairina mihitsy ny molony. « Tsy hanaiky mora foana aho fa hitondra ny raharaha eny anivon’ ny manam - pahefana mahefa isan’ ambaratongany », hoy ity mpamily taksy ity.
Clarisse Razafy

No comments: