Monday, October 18, 2010

Nirefotra indray ny baomba


Nisy ny sakana nataon'ireo mpanao fihetsiketsehana ka voatery nampiasa hery ny mpitandro filaminana.
Nisahotaka indray ny rehetra omaly teo an-drenivohitra. Raikitra mantsy ny sakoroka teo amin'ny mpitandro filaminana sy ireo mpanao fihetsiketsehana avy ao amin'ny Ankolafy Telo. Tokony ho tamin'ny sivy ora maraina dia efa tomefy olona ny arabe manolona ny lapan'ny fitsarana Anosy. Tazana nihatrana teny koa ireo mpitandro filaminana marobe. Araka ny fantatra dia ny andron'ny omaly no fotoana hanatanterahana ny fotoam-pitsarana ireo olona voarohirohy tamin'ny raharaha baomba. Tamin'ny 10 ora maraina no nigadona teny an-toerana Atoa Yves Aimé Rakotoarison saika hiatrika ny fitsarana azy. Nosakanan'ireo mpanao fihetsiketsehana marobe tsy hiditra ny efitrano fitsarana anefa izy. Fotoana fohy taorian'izay, tonga teny an-toerana ihany koa Atoa Fetison Rakoto Andrianirina ka mbola voasakan'ireo vahoaka ihany koa. Tapaka avy eo fa hanao dia-be ho eny Ambohijatovo ny rehetra.

Sakoroka

Tazana teny an-toerana ny kôlônely Ravalomanana Richard nitarika ny Emmo-Reg. Matetika no nifamaly tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana izy tamin'izany. Nisy mihitsy aza no niteny fa voafelaky ny tehamaina izy. Ny hafa nilaza fa nianjera izy ka naratra. Rehefa nanotaniana ny mikasika izany anefa ny tenany dia nanambara fa « Tsy misy maninona ny tenany ary izy mihitsy no nanenjika ireo olona saika hisotasota sy nahery fihetsika tamin'izany ».Roso ny dia avy eo ho eny Ambohijatovo. Tazana teny an-toerana ihany koa ny Pr Zafy Albert nanotrona azy ireo. Rehefa tonga teny Ambohijatovo ireo mpanao fihetsiketsehana dia nisy ny fifampiraharahana teo amin'ny mpitandro filamianana. Nekena fa afaka miditra ao amin'ny kianja ny rehetra saingy tsy haharitra ela izany. Nisy ny fanambarana fohy, nandritra ny folo minitra teo. Nihazo ny kianjan'ny Magro Behoririka indray ny rehetra avy eo. Nony tonga teny dia tapaka fa hitohy hatrany amin'ny 67 ha ny dia. Niditra an-tsehatra anefa ny Emmo-Reg nanakana ny lalan'izy ireo. Velona ny sakoroka, tsy nitsahatra nirefotra ny baomba mandatsa-dranomaso satria nisy sakana nataon'ireo mpanao fihetsiketsehana. Tonga hatrany Ankadifotsy ny fifanenjahana. Tany amin'ny efatra ora hariva vao nilamina ny rehetra.
JUDD

No comments: