Sunday, October 17, 2010

Mpangalatra nodoran'ny mpianatra tamin'ny asidra teny Ankatso

Lehilahy iray manodidina ny 30 taona no voasambotry ny mpianatra teny amin'ny Cité Ankatso I omaly maraina. Voalaza fa avy nangalatra fahitalavitra tao amina trano iray teny izy no io tratra io, ka avy hatrany dia raikitra ny fifanenjehana sy ny fisamborana. Tratra ilay tovolahy ary nentin'ny mpianatra teo amin'ny tany malalaka eo amin'ny parking. Samy nilaza izay heviny momba ny hanaovana ity mpangalatra ity teo amin'izay ny rehetra, ka tao no niteny fa tokony hatolotra ny mpitandro filaminana izy. Tao kosa ny nanamafy fa tokony hofaizina avy hatrany. Nandritra izany fotoana izany dia efa nandeha ny daroka isan-karazany ary teo dia nitsiry ny hevitra fa hodorana velona ilay mpangalatra. Nisy ary ny nitondra asidra ka nandraraka izany tamin’ny vatan'ilay tovolahy iray manontolo. May avokoa ny vatany, indrindra ny kibony sy ny lamosiny ary ny hatony. Raha mbola niharitra izay nanaovan'ny mpianatra azy teo ilay mpangalatra no tonga ny avy ao amin'ny BMH naka ilay tovolahy. Tsaboina eny amin'ny HJRA izy amin'izao fotoana izao ary mbola miady amin'ny fahafatesana.

Tsara ho fantatra fa tsy vao sambany no nisy mpangalatra ka nodoran'ny mpianatra velona teny Ankatso teny. Izany araka ny voalazan'izy ireo dia hoentina hanafaizana ireo mpanao ratsy izay mirongatra tokoa tato ho ato.
Aina R.

No comments: