Wednesday, October 13, 2010

HAT mamo

Ny alin'ny zoma lasa teo, tokony ho tamin'ny folo ora sy sasany, no nitrangan'ity fihetsika mahamenatra izay nataon'ny mpikamban'ny HAT iray ao Tsiroanomandidy. Mamo izy dia niditra an-keriny niaraka tamin'ny mpiambina azy miisa efatra tao amin'ny biraon'ny ONG iray izay sady misy ny foiben'ny radio iray ao an-toerana ihany koa. Nidirany an-keriny tao amin'ilay toerana ary na ny mpiambina aza dia nitsoaka satria efa malaza ratsy ao an-tanàna ity rangahy noho ny fitazonany basy sy ny fampiasany izany tsy amin'antony. Mba ho fiarovany ny ainy dia nitsoaka tao an-trano ilay mpiambina izay nenjehiny rahateo. Rehefa tsy tafiditra tao izy dia nodakadakainy ny varavarana ary nilaza ny haka basy ny tenany. Ny tena tanjony dia ny hanao hazalambo pretra iray izay tompon'io ONG io rahateo saingy tsy tratrany tao io farany hany ka izay hitany no nanamparany ny fony. Isan'izany ny kamiao iray izay sendra nifanojo taminy teo amin’ny fahatongavany tao amin'ilay toerana. Nampihorohoroiny ny mpamily dia nalainy avy hatrany ny fanalahidy. Soa ihany fa tao anatin'ny hamamoana ny tenany ka tsy hainy intsony ny namelona io fiara izay saika nentiny io. Nendahiny niaraka tamin'ireo olona telo niaraka taminy hatramin'ireny takela-by mandràra ny fidirana ao amin'ilay trano ireny. Tsy nisy sahy nivoaka na ireo mpanentana tao amin'ilay radio na koa ireo mpiambina nanoloana ny zava-misy. Nampandrenesina ny pôlisy izay tonga teny an-toerana fa saingy efa tsy nahatratra azy ireo intsony. Mahana ny ratsy nataony angamba ka ny maraim-ben'ny sabotsy dia nisy olona nirahiny nanatitra ilay fanalahidin'ny kamiao ary koa hitondra ny hafatra fialan-tsiny...satria hono izy tao anatin'ny hamamoana loatra ka tsy tompon'ny tenany intsony. Ankehitriny dia mihorohoro avokoa na ny mpiasan'ilay ONG na koa ny mpiasan'ilay onjam-peo ary tsy misy sahy mandeha irery intsony rehefa mivoaka ao amin'ilay toeram-piasana. Efa fanta-daza loatra mantsy ity mpikamban'ny HAT noho izy tsy refesi-mandidy ao an-tanàna. Efa fanaony rahateo ny fampihorohoroana sy ny tsindrihazolena toy izao, raha araka ny fitarainan'ny olona izay tsy sahy anefa noho ny tahotra. Mila mijery akaiky ny tompon'andraikitra eto an-drenivohitra satria mitady hisy fiantraikany amin'ny filaminam-bahoaka ao Tsiroanomandidy ny fitondran-tenan'ity olona ity. Raha araka ny vaovao farany azo dia mbola tafiditra ao anaty lisitry ny CST indray ity HAT mamo ity...

D.R

No comments: