Friday, June 28, 2013

Madagasikara sy ny malagasy


Ny filazana hoe "MALAGASY"

Hatramin'izao dia maro tokoa ny olona izay mbola mihevitra hatrany fa ny fiantsoana hoe "malagasy" dia tena anarana nentim-paharazan'ireo mponina teratany eto Madagasikara ary ny malgache ohatra dia fomba fanononan'ny Frantsay an'io teny io fotsiny. Ny tena marina anefa dia hafa lavitra noho izany ka tsara raha mba ampahatsiahivina kely etoana.


Kabary de la reine Ranavalona III le 3 septembre 1868


Foko kely Tanosy

Voalohany indrindra aloha, raha ny tantaran'ny fampiasana an'io teny io no dinihina dia izao no azo ambara.

Araka ny fikarohana nataon'ny J.-C.Hébert ("Madagascar et Malagasy, histoire d'un double nom de baptême", Bulletin de Madagascar, juillet-août 1971), ny soratra tranainy indrindra ahitana ny teny misy ifandraisana mivantana amin'ny hoe "malagasy" dia ny bokin'ilay pretra portugesy Luis Mariano (1613) izay manambara fa, tamin'izany fotoana izany dia Maticassi no anarana nentin'ny mponina tany amin'ny faritra atsimon'i Faradofay/Taolagnaro ankehitriny. Taona maromaro taty aoriana (1651) dia avy koa ny fitantaran'ilay mpiantsambo Frantsay François Cauche izay milaza fa ny anarana entin'ireo mponina ao amin'io faritany Antanosy io, izay antsoiny indrindra koa hoe Madegasse, dia Mallegasse. Ary tsara ho marihina fa ho an'ity mpanoratra ity, ny anarana ilazany ny mponina rehetra eran'i Madagasikara (izay samy ry zareo dia tsy nitondra anarana tokana satria tsy mahatsiaro tena velively ho karazan'olona iray mitovy!) dia "Madagascarois" tsotra izao!


Ambohitsirohitra 1890


Ny teratany farahidiny indrindra
Tsikelikely anefa dia niseho teo amin'ireo mpanoratra Vazaha, indrindra moa ireo tsy dia mahafantatra laotra ny tena marina momba an'i Madagasikara, ny fiantsoana ny mponina teratany eto amin'ny nosy hoe "Mallegasse" na "Madecasse". Ary farany dia mba noraisin'ireo tompon-tany koa io anarana io, tsy hoe akory sanatria mba ilazany tokoa ny tenany (mbola ampy azy tamin'izany ny tena anaram-poko sy firenena nentin-drazany avy!) fa kosa ireo karazan'olona teratany faran'izay ambany ka fivarotra indrindra amin'ny mpanondrana andevo (négriers!) vazaha. Miharihary tokoa izany ohatra amin'ny fitantaran'i Robert Drury (1715), ilay zatovolahy anglisy nandevozin'ny Tandroy izay manambara fa ny hoe "Mallacoss / Malagasy" dia "anaram-bositra ilazan-dry zareo [mponin'ny Fiherenana] ny olona ambany tsy misy vidiny indrindra amin'ny teratany" (A nickname they give the meanest of the natives). Mazava tokoa ary fa na ny Vazaha farahidiny andevon'ny Tandroy aza dia mbola mahatsiaro-tena ho ambony noho ny Malagasy!

Ho an'ireo Vazaha anefa moa, ary indrindra ny Frantsay izay fantatra fa hatramin'ny fiandohan'ny taonjato faha-18 dia ny varotra andevo no anton-draharaha lehibe indrindra teto amin'ny morontsiraky Madagasikara, dia lasa ny mponina teratanin'ny nosy rehetra no nanjary tafatambatra ao anatin'io filazana mitondra fanambaniana io. Izany hoe, raha tsorina, ny Malagasy tamin-dry zareo dia : 1) Ireo foko monina eto Madagasikara, famporisika amin'ny fivarotam-basy mba hiady sy hifampivarotra samy izy; 2) Karazan'andevo mainty hoditra (esclaves nègres) fahita any amin'ny faritra atsimon-andrefan'ny Ranomasina Indiana, eo anilan'ny Kafiry na Afrikana.


Analakely en 1890



Ny mpianatry ny Vazaha
Tamin'ny fanekena vita sonia ny 23 oktobra 1817 dia neken'i Fanjakana Anglisy, izay anisan'ny firenena matanjaka indrindra eran-tany tamin'izany, ho mpanjaka tokan'i Madagasikara i Radama. Azo lazaina ary fa nanomboka tamin'io fotoana io koa dia tafajoro amin'ny "fomba ofisialy" eo imason'ny raharaha iraisam-pirenena ny fisian'ny Madagasikara amin'ny maha "Firenena" (Etat) manokana azy. Mazava ho azy anefa ho an'ireo mpandinika Vazaha fa ny mponina ao amin'ny "Firenena" iray toy izany dia tsy maintsy mba mitondra koa anarana manokana ahafahana manavaka azy amin'ireo vahiny mizaka zom-pirenena hafa. Ny olana dia fantatra fa tsy nanana velively anarana imbonana fampiasan-dry zareo samy irery ireo foko isan-karazany teto Madagasikara. Ka noho izany ary dia tsy nanan-tsafidy ireo Vazaha fa voatery nandray avy hatrany ny fiantsoana hoe "malagasy" izay efa nahazatra ary zahateo hatramin'ny ela.

Antaninarenina 14 juillet 1905


Ary dia hita tokoa fa hatramin'ny tenantenan'ny taonjato faha-19 dia saiky ny mpanoratra vazaha irery ihany no mampiasa an'io fiantsoana io. Na i Radama aza mantsy dia toa tsy mbola nahatsapa velively ny antony tokony ampiasana anarana tokana iantsoana ireo mponina tompontany rehetra eran'i Madagasikara. Ka ho azy, ny fitambaran'ny mponin'Imerina dia ireo Ambanilanitra (izany hoe ny tena Merina-Ambaniandro sy ireo Mainty ary ny Andevo) ary ireo any anindrana, rehefa tsy antsoiny amin'ny anarany ilazany ny tenany manokana (toy ny hoe Sakalava na Sihanaka ohatra) dia tondroiny araka ny toetry ny tany honenany (Ambaniravinkazo sy Ambanivolo ohatra ho an'ireo any amin'ny sisiny atsinanana). Ary azo lazaina fa hatramin'ny fiafaran'ny Fanjakana Merina mihitsy no nitohy hatrany ny fijery sy ny filazana toy izany. Ho an'ireo Mpanjaka merina dia Ambanilanitra no fomba fiantso ny vahoaka fa tsy "malagasy" velively akory!

Tsikelikely anefa dia voatarik'ireo Vazaha, ary indrindra moa ireo misionary, hanaraka ny fijerin-dry zareo manokana ireo tompontany mpianany, na momba ny raharaham-pivavahana izany na amin'ny fampiasana indrindra ny anarana hoe "malagasy". Ho an'ireto voalaza farany ireto dia anarana vaovao tsapa toy ny fiantsoana "moderina" tsotra izao ny "malagasy" satria fampiasam-bazaha sady fahita mahazatra ao amin'ny boky sy ny gazety (izay soratan'ny Vazaha indrindra!), ka mampiseho avy hatrany fa mba anisan'ny olona "manam-pahaizana" sahala amin'ireo Vazaha koa izay mampiasa azy!

Vue par avion du lac Anosy 1910

Ary satria moa teto Imerina indrindra indrindra no niasa ireo Vazaha ary koa Merina no mpitondra ny tany sy ny ankamaroan'ireo olona nahita fianarana dia nandeha ho azy koa ny fampifangaroana ny anarana hoe "merina" amin'ny hoe "malagasy". Ka dia ireo Merina no voalaza voalohany fa "Malagasy", ny teny merina no lasa "teny malagasy", ny fomba merina no "fomba malagasy", sns. Ary tamin'ny taona 1875 dia hatramin'ny gazety "ofisialy" ny Fanjakana Merina mihitsy no nampitondrain'ireo misionary (niandraikitra manokana ny fanatontana sy ny fitantanana azy) ny anarana hoe Gazety Malagasy.



Anaram-panandevozana
Na dia izany aza anefa dia azo lazaina fa hatramin'ny nanombohan'ny fanjanahantany vao tena tafaraikitra tanteraka tokoa ny fampiasana an'io filazana io. Rehefa nahazo fandresena mantsy ny mpanani-bohitra Frantsay dia niara-navariny ho lasa "indigènes malgaches" avokoa ireo tompontany rehetra. Teo ambanin'ny ziogan'ny "indigénat", izay fantatra fa satam-panandevozana tsotra izao ary dia tsy nisy intsony ny fanavahana ny Hova sy ny Mainty, ny Merina sy ny Tanindrana fa samy "Malgaches", karazan'olona very zo ka azon'ny Vazaha hanamparana ny sitra-pony rehetra avokoa ireo.

Ary toy izany koa, ny fandrafetana (organisation) najoron'ny mpanjanatany hiandraiketana ny fikarohana siantifika sy hamolavolana ny fisainan'ny avaram-pianarana "indigènes" dia nomena avy hatrany ny anarana hoe "Académie malgache". Ireo vahiny nanandra-tena fa "manam-pahaizana" manokana momba an'i Madagasikara moa dia niseho avy hatrany koa ho "malgachisants". Ny tena marina anefa dia tsy mpamantatra ny efa nisy ihany akory ireto malgachisants ireto fa tena mpamorona tanteraka koa, mpanamboatra sy mpamolavola ny voalazany fa "malgache". Ka tsy mahagaga raha toa ka hatramin'izao dia mbola ry zareo foana no tena mahafantatra indrindra ny momba an'izany!

L'avenue de "l'indépendance" en 1924


Ireo tompontany mba nahita fianarana moa, ary indrindra ny Merina dia tsy afa-manoatra satria sady voafatotry ny fisafotofotoan-kevitra momba ny tena maha-izy azy nentim-paharazany no toran-kovitra koa manoloana ny fanamavoan'ireo "manam-pahaizana vazaha". Ka na ry zareo mihevi-tena fa manohitra ny fitondran'ny mpanjanatany aza dia voasarika avy hatrany handray ho azy ny fomba fijery sy ny fitenin'ireo Vazaha tsy maintsy nalainy tahaka. Noho izany ary ohatra no nahatonga an-dry zareo ireo hanome ny anarana hoe "Mouvement Démocratique dela Rénovation Malgache" mba ilazana ilay antoko politika nikendry indrindra ny hamerina ny fahaleovantenan'i Madagasikara. Ary marina tokoa fa ho an'ny mpiandany ny MDRM, izay fantatra fa Merina ny ankamaroany, dia tena lasa mifangaro tanteraka ny filazana hoe "merina" sy "malagasy". Ka tsy mahagaga ary raha toa ka aleon'ireo fahavalony, izay nivondrona tao amin'ny Firaisan'ny Tanindrana sy ny Mainty enin-dreny ary ny Karazany (FTMK na PADESM), nanandratra avy hatrany ny anarana maneho kokoa ny filazana nentin-drazana. Ho an-dry zareo dia ny Merina ihany aloha no tena azo antsoina hoe "malagasy"!

Rehefa potika tsy ara-drariny anefa moa ny MDRM ka tsy afa-nanoatra intsony ny Merina dia nanapa-kevitra ireo Vazaha fa omeny "fahaleovantena" ihany amin'ny farany i Madagasikara, ka ireo saribakoliny avy ao amin'ny FTMK indrindra no nanankinany an'izany. Ny 14 oktobra 1958 ary dia natsangan-dry zareo ny Repoblika Malagasy izay tsy ela taty aoriana dia nomeny koa ny voalaza mahazatra fa "fahaleovantena".

"Repoblika malagasy" fa tsy mba hoe "Repoblikan'i Madagasikara" akory! Ankoatra ny fakan-tahaka ny "Repoblika frantsay" izay fantatra fa mbola nitohy nitantana ny zava-drehetra tao ambadika, ny antony voalohany eto dia ny faniriana hampiavaka tanteraka ilay fitondrana vaovao amin'ny fahatsiarovana ny Fanjakan'i Madagasikara fahiny. Ary tsy vitan'ny hoe manambara ny fanalavirana ny Merina amin'ny fitondrana izany fa mampiseho koa eo imason'izao tontolo izao ny fisian'ny vahoaka sy ny firenena vaovao tokana antsoina hoe "malagasy". Izany hoe, raha tsorina, sady tsy tompon'ny fahefana intsony izany ny Merina no tsy eken'ireo mpitondra vaovao koa amin'ny maha-firenena manana ny maha-izy azy manokana. Lasa "malagasy" ao anatin'ny fitambaram-ben'ny Malagasy tsotra izao ry zareo, karazana foko kely ("tribu"!) iray miaraka amin'ny maro hafa eto Madagasikara, mitovy lanja ohatra amin'ireo voanjo frantsay, izay voalaza koa fa efa lasa "foko-kely faha-19" ("dix-neuvième tribu") eto amin'ny Nosy.

Ary ny lova nentim-paharazan'ny firenena merina manokana, na ny fiteny izany na ny tantara, na ny vakoka isan-karazany, ary hatramin'ny fitantanana an'ireo rova sy fasan'andriana fahiny dia natolotra avokoa eo ambany fahefan'ireo "mpitondra malagasy" irery. Noheverina avy hatrany fa ireo rehetra ireo dia efa lasa "harem-pirenena" iombonana, tsy an'ny Merina irery intsony fa fananan'izany "firenena malagasy" vao nateraky ny fanjanahantany frantsay izany!...


Défilée des gardiens indigènes à Analakely en 1930

Famintinana
Hita mazava amin'izany ary ny tena fiaviana sy ny tantaran'io filazana hoe "malagasy" io.

Araka ny nasehon'i J.-C.Hébert, ny loharano nipoirany dia ny anarana hoe Matikasy (na Maticasi) izay nentina foko kely tanosy tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-17. Ny tena dikan'io anarana io dia tsy fantatra mazava kanefa mety tokoa hoe "maty hazo", izany hoe angamba "mamono hazo" na "mpanao tevy". Avy hatrany anefa dia novan'ireo Portugesy ho Matacassi ny fanononana azy satria amin'ny fitenin-dry zareo tamin'izany andro izany koa dia mahazatra ny miantso ny famonoana hoe "mata" (noho ny teny arabo "maut" izay nolovain'ny teny eropeana maro ka hita hatrany koa mandraka ankehitriny amin'ny frantsay "échec et mat" sy "matamore"!). Taty aoriana kely indray dia lasa nanjary Madegasse sy Mallegasse ilay teny ho an-dry zareo Frantsay ary mazava fa io filazana farany io indrindra no niavian'ny malgache izay, tamin'ny taonjato faha-19 dia navadik'ireo tompontany ho malagasy, angamba, ho an'ny Merina, noho ny fanelanelanan'ny fanonona anglisy nandrenesany azy matetika indrindra.

Hita amin'izany ary fa findramana mivantana avy amin'ny teny frantsay "malgache" tsotra izao ny hoe "malagasy"! Ary diso tanteraka ireo maminavina indraindray fa angamba mety ho hita ao anatin'io filazana io ny anarana fampiasa any Asia Atsimo-Atsinanana toy ny "Makassar" (anaram-poko any Sulawesi-atsimo,Indonesia), ny "Malaka" (izay Melaka no tena fanononana azy), na koa "Malay" (izay fanononana vazaha ny anarana teratany hoe Melayu).

Marihina avy hatrany koa fa ny hoe "MADAGASIKARA" koa dia toa anarana avy amin'ny fiantsoana vahiny tanteraka ka tsy misy ifandraisana mihitsy na kely aza amin'ny "Malagasy-hara" sy ny kilalaon-teny mitovotovy amin'izany fahita indraindray etsy sy eroa. Izany hoe kisendrasendra fotsiny ihany izany no isian'ny fitovizana kely amin'ireo filazana roa ireo.



Mahasorena!
Atao ahoana ankehitriny no tsy ho sorena sy mangidy rora rehefa mahafantatra an'izany rehetra izany! Malagasy hoy ianao! Malagasy!... Ka ahoana indray ary izao? Maty hazo sa Hazo maty? Ary sao kosa "Maty hasina" tsotra izao!...

E ry "firenena" sandoka, zaza sary nateraky ny fanandevozana sy ny hery setra ary ny famolavolana tsy an-drarin'ny mpanani-bohitra frantsay (ilay niambo indrindra fa izy no atao hoe Reny Malala!). Iza indray ankehitriny no mbola ho afaka manambara an-kitsirano hoe : "aoka isika hirehareha fa Malagasy"! Hirehareha amin'inona?...

Ho antsika Merina anefa moa dia tokony tsy ho olana intsony izany ankehitriny. Ny filazana hoe "malagasy", izay tsy mbola henin-kaza mihitsy hatrany ampiandohana no voahosihosy fa tsy ny anarana nentin-drazantsika hoe "merina" velively akory. Ary ny "Malgache" no novolavolain'ireo "malgachisants" fa tsy mbola ny Merina mihitsy! Ka isaorana an'Andriamanitra fa hatramin'izao dia tsy mbola nisy ary antenaina fa tsy hisy mandrakizay ny "mérinisant" vahiny afaka hivatravatra hanome lesona antsika momban'izay heveriny, araka ny tombon-tsoany manokana, fa tena maha-isika antsika sy ny lazaina fa "marina" momba ny lova nentim-paharazantsika.

Ny filazana hoe "malagasy" no miosom-potaka fa tsy ny anarana MERINA velively izay anaram-boninahitra voaaro mandrak'ankehitriny noho ny fitahian'ireo Razana ka azo asandratra indray mba hamirapiratra hanazava ny ho avin-tsika!

Ka ny faniriana amin'izao mangiran-dratsin'ny taonjato faha-21 izao dia ny mba tsy ahatody masoandro mihitsy an'io filazana hoe "malagasy" io eo amin'ireo Merina-Ambaniandro! Anaran'ny aizina sy ny famarinan-tena ary ny tahotra ny "malagasy" ka tsy mendrika mihitsy ho entin'ireo taranaka merina amin'ny andro ho avy izay antenaina fa mba hitondra fahazavan-tsaina be be kokoa. Tsy nihevi-tena ho "malagasy" ny razantsika fony andro mbola naha-firenena be hampo-bo sy nanana fahasahiana amin'ny maha-izy azy manokana azy ka nahoana isika indray, izay mangetaheta fiarenana, no ho voatery ankehitriny hanambany tena hanaiky izay fantatra mazava fa anaran-kenatra! Ka raha toa ary ka maniry te ho velona aman-kaja tokoa ny firenentsika, dia tsy misy afa-tsy ny anarana hoe MERINA ihany no mendrika ho ampitaina amin'ireo taranaka ho avy. Ary ho an'ireo vahiny mitady fiantsoana tokana ilazana ireo mponina rehetra eto Madagasikara dia efa miandry azy atry ny ela ny "Madagascan" sy ny "Madagascarois" izay farafaharatsiny mba tsy dia maneho fanambaniana laotra.

1 comment:

Kanty said...

Misaotra indrindra noho ny fampatsiahivana ny mombamomba ny tantaran'i Madagasikara. Tsy maro no nanao izany ka fankasitrahana lehibe ho anareo tompoko.
Tsara raha ampahatsiahivinareo koa eto @ manaraka fa tsara ny teny malagasy ho an'ireo izay tsy mahalala na tsy nampahafantarina izany mihitsy. Maro mantsy ny mihevitra fa mahamenatra ny miteny malagasy, ka ny bonjour sy ny merci (ohatra) no heveriny fa tsara tenenin'ny zanany no sady heveriny fa voninahitra.