Friday, June 14, 2013

La gazette de la grande ile "Fikasihan-tanana: Minisitra nidoboka eny am-ponja"


PDFImprimerEnvoyer
Vendredi, 14 Juin 2013
Tany am-baravaran’ny mpamosavy ara-bakiteny no nanoko sikidy no azo amehezana ny tantaran’ny tomponandraikitra ( minisitra teo aloha) iray izay nitana andraikitra lehibe teto amin’ny firenena ary nidoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora taorian’ny fanolorana azy ny fampanoavana ny fiandohan’ity herinandro ity.
Minisitra iray nitantana ny minisiteran’ny Télécommunication, Postes et nouvelles Technologie tamin’ny governemanta faharoan’ny praiministra Camille Vital teo aloha no nidoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora miandry ny fotoam-pitsarana azy ny talata lasa teo..
Raha tsiahivina ny tantara dia vokatry ny lonilony, tsy fahaizana mifandefitra teo aminy sy ramatoa iray nitranga teny Ampefiloha ka nahatonga an’ity minisitra teo aloha ity nikasi-tanana no fototry ny olana.
Raha ny loharanom-baovao izay voarain’ny mpanao gazetinay dia resaka « parking » na  fiantsonan’ny fiara no niteraka olana teo amin’ny roa tonta. Nifampivazavaza teo ny andaniny sy ny ankilany ka raha ny fanangonambaovao voaray dia naolan’ity mpitondra teo aloha ity ny tanan’ilay vehivavy sy nosotominy ka rovitra ny akanjony. Niakatra ny fifamaliana teo amin’ny roa tonta ka niafara tamin’ny fikasihan-tanana ilay vehivavy no nataon’ilay minisitra teo aloha. Nitory ka nitondra ny raharaha teny anivon’ny fitsarana ilay vehivavy ( raha ny vaovao voaangona dia mpitsara ity vehivavy niady tamin’ny minisitra teo aloha ity), niditra an-tsehatra  avy hatrany nisambotra an’i Iharizaka Rahaingoson minisitra teo aloha ny polisy misahana ny heloka bevava sakelika faha-6 etsy Anosy. Notanana vonjimaika tao amin’ny amin’ny « violon » iray andro ingahy minisitra ary ny sakelika faha-3 eo anivon’ny BC ( Brigade criminelle) ihany no nanao ny famotorana. Natolotra ny fampanoavana ny talata lasa teo ingahy minisitra ka nidoboka am-ponja vonjimaika miandry ny fotoam- pitsarana azy amin’ny faha- 18 jona ho avy izao.
Ao am-ponja sa tsia ingahy minisitra ?
Nidina teny ifotony nikaro-baovao mikasika ity raharaha ity ny mpanao gazetinay omaly, nisy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny fonja nandray ny iraka manokana teny an-toerana, rehefa nanontaniana ity farany dia nilaza fa tsy ato io olona io, nitohy ny fanadihadiana ka fantatra fa amin’ny faha-18n’nyvolana jona no hiakatra fitsarana eny Anosy ny raharaha mahakasika ity  minisitra teo aloha ity sy ilay mpitsara novonoiny. Ny fanontaniany manitikitika ka ilana valiny amin’ny eo anivon’ny fonja ao Antanimora taorin’ny fikaroham-baovao teny an-toerana dia hoe « efa nahavita lava tanana ve ingahy minisitra ??? ». Izahay dia mampirisika ilay mpitsara mpitory mba hanaraka akaiky ny raharaha satria tsy misy olona ambonin’ny lalàna eto fa rehefa nanao ny heloka dia miendrika hizaka ny vokatry ny nataony.
Raha tsiahivina dia ity minisitra ity no anisan’ny tompon’andraikitra voalohany nametra-pialana teo anivon’ny governemanta notarihan’ny jeneraly Camille Vital tamin’ny fotoan’androny. Ho taterina amintsika eto amin’ny manaraka ny tohin’ny raharaha.

A.M.

No comments: