Friday, June 28, 2013

Ady tany ao Moramanga : Vazaha manampatra fahefana amin’ny fokonolona


Tany mihoatra ny arivo hektara no iadina ao aminy kaomina Anosibe Ifody, distrikan’i Moramanga. Ny marimarina kokoa dia ao anatin’ny fokontany  Ankarefo sy Tsaramiafara io tany io. Io tany io dia misoratra amin’i Guy Gabriel René MACE, vazaha tonga tao Moramanga talohan’ny taona 1947. Niala an’i Moramanga anefa io vazaha izay nanao “requisition” an’io tany io talohany nipoahan’ny tolona 47. Ary voalaza fa efa maty i Guy Gabriel MACE amin’izao fotoana. Rehefa lasa izy dia ny fokonolona teo amin’ireo fokontany roa ireo no nampiasa sy nanamainty molaly ny tany nanomboka ny 1947. Tamin’ny 02 desambra 2010 anefa dia nisy vazaha iray antsoina hoe Gerard Menu, nipoitra tampoka nitondra fanamarinana (Attestation) izay voalazany fa avy amin’i Guy Gabriel René MACE; izay milaza fa nomena fahefana izy hikarakara ny tany. Io vazaha io amin’izao dia manao ramatahora ny fokonolona ka mandroaka azy ireo hiala amin’ny tany izay efa nampiasan’izy ireo hatramin’ny 1947.
Averina aminy Fanjakana. Araka ny voalazan’ny fokonolona anefa dia fanamarinana tsy marina no ananan’i Gerard Menu. Nefa ity farany dia tsy mitsahatra manapotika ny ala kininina; izay mbola tsy ampy enim-bolana akory eo amin’io tany io. Efa betsaka noho izany ny fitarainana nataon’ny fokolonona mahakasika ity vazaha ity, teo amin’ireo manampahefana eo an-toerana, nefa dia tsy nisy valiny. Efa nanoratra tany amin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny Fanajariana ny tany izy ireo fa dia mbola tsy nisy valiny ihany koa. Tamin’ny taona 2009 anefa dia nandefa taratasy ary nanome baiko ny tomponandraikitra momba ny  fananan-tany tao an-toerana ny ministry ny Fanajariana ny tany ny tokony hamerenana io tany io amin’nyy Fanjakana, araka ny hitsivolana laharana faha-74-021. Hatramin’izao anefa dia mandà tsy manatanteraka io baiko io ny manampahefana ao an-toerana. Nefa ny mponina dia tsy tafandry mandry amin’ny ataon’ity vazaha ity.
RAJAOFERA Eugène

No comments: