Monday, June 24, 2013

Jiolahy nodorana : Voatono hatramin’ny tsinainy, tsy mbola nisy naka ny vatany


Kila forehitra ireo vatana ary tsy mbola nisy naka hatramin’ny omaly.
Habibiana tsy roa aman-tany no nitranga tao Ambovombe ary mbola mitàna ny sain’ny maro hatramin’izao. Mahakasika ireo jiolahy mpanakan-dàlana ;izay voasambotry ny olona ka novonoina ary nodorana teo imasom-bahoaka, teo amin’ny kianjan’ny fahaleovantena izany. Fitantaran’ny olona avy any an-toerana ary voaporofon’ny sary ihany koa, no nahafantarana fa hay noloarana tanteraka ny kibon’ireo telo lahy. Natao tao anaty gony nony avy eo ary…natono. Tsy azo eritreretin’ny sain’olombelona ny zavanitranga, nefa dia tena niseho tao Ambovombe izany. Raha ny vaovao farany azo avy any an-toerana aza dia navela teo amin’ilay toerana nandorana azy ireo voalaza ho olon-dratsy. Hatramin’ny omaly dia mbola tsy nisy naka teo ny razana. Afaka mijery teo avokoa; izay rehetra mandalo sy liana amin’ny zavanitranga. Kiriko ny betsaka, nefa izay aloha ny zavamisy dia lasa manaiky ho azy ny sain’ny olona. Izany rehetra izany dia mbola taratry ny krizy eto amintsika hatrany. Miha-biby ny olona ! Tsiahivina fa tsy izay vao nitranga ny toa izao tany amin’iny tapany atsimon’ny Nosy iny. Efa tonga hatramin’ny famonoana faobe aza izany nandritr’ireny raharaha Remenabila tany atsimo ireny.  Remenabila anefa dia tsy mbola hita ary efa voaporofo fa tsy misy akory. Dia ny olona no nifamono sy nifandoro velona. Hatraiza ny fanajana ny zon’olombelona, satria raha izao zavanitranga izao dia efa mihoatra tanteraka ny lalàna velona sy ny maha-izy azy ny tsirairay. Ankoatr’izay dia tsy nandrenesam-peo mihitsy na ny manampahefana sivily na miaramila manoloana ny zavanitranga. Izany fahanginana izany anefa dia toa mandrisika indray ny olona hanao fitsaram-bahoaka, satria tsy voasazy izy ireo mamono olona sy mihoatra an’izay aza : mandoro olona ! Mahatalanjona ny zavamisy. Mangina avokoa manoloana ny habibiana tsy roa aman-tany, nefa tsy hay tapenam-bava rehefa any amin’ny pôlitika. Toa ny hoe tsy hitantana ny olona ny anto-pisian’ny pôlitika.
D.R  Source  Midi Madagascar

No comments: