Saturday, March 03, 2012

Sangy mihoatra ny loho : Nodoran’ny zandary ny trano 60 tafo an’ny fokonolona

Fanaparam-pahefana sa valifaty ? Narehitry ny zandary ao Bezaha ny fokontany roa anatin’ny kaominina ambanivohitra Manalobe.

Nahatratra 60 tafo ny may tao amin’ny fokontanin’Ankazonivony sy Fenoarivo. Nampijaliana ihany koa ny fokonolona, raha araka ny fitarainan’ireo farany izay nampita rahateo ny vaovao taty an-drenivohitra. Rehefa nanontanin’ny olona ireo zandary ny amin’ny antony nanaovana izao herisetra izao dia nilaza fa noho ny hatezeran’ireo fa mandray andraikitra ny fokonolona amin’ny fanampiana mitady ny nahavanon-doza. Raha ny fijerin’ireo zandary izany dia tsy maintsy amin’ireo fokonolona ireo ihany ny dahalo, koa rehefa tsy namoaka izany ireo dia nosaziana amin’ny fomba feno herisetra. Raha tsiahivina dia nisy namono tao an-tranony ny lehiben’ny zandary tany Bezaha. Nitarika ny hatezeran’ireo mpitandro ny filaminana izany ka nahatonga an’ireo hanao savahao ny tanàna mba hahitàna ny nahavanon-doza. Nanomboka tamin’ny 27 febroary teo ny hetsika savahao. Hatreto anefa aloha, tsy mbola hita ireo tompon’andraikitra tamin’ity vono olona ity. Nivadika ny raharaha ka lasa ny iray tanàna indray no niharan’ny habibian’ny zandary ao an-toerana. Raha nanontaniana ny tompon’andraikitra ambonin’ity vondron’ny mpitandro ny filaminana ity dia nilaza fa tena marina tokoa io vaovao io ary manameloka avy hatrany ny zava-nitranga tany Bezaha ny fianakaviam-ben’ny zandary. Nampiany fa hisy ny fepetra horaisina momba ity tranga ity. Manoloana ny zava-nisy tato ho ato dia hita fa mivadika tanteraka ny rasa any amin’ny tontolo ambanivohitra any. Tany Menabe dia ny tobin’ny zandary indray no notafihin’ny jiolahy. Any Belo-sur-Tsiribihina dia hatao savahao ny « mpiray dina ». Izao koa any Bezaha dia nodoran’ny mpitandro ny filaminana ny tranon’ny olona izay mety ho tsy manan-tsiny. Midika izany fa samy mampihatra izay heveriny ho lalàna ny tsirairay any ambanivolo, ary ny tena mampalahelo dia tsy ahoan’ny fitondrana foibe izany fa variana loatra amin’ny adilahy pôlitika. Toy ny hoe eto an-drenivohitra irery ihany…no Madagasikara.

No comments: