Saturday, March 03, 2012

Asan-jiolahy : Mirongatra ny fanendahana, anaty fiara, ambony Scooter, amin’ny tobin-dasantsy…

Variana ny rehetra fa saika isan’andro, mahita fomba hanendahana sy hangalarana hatrany ireo karazan-jiolahy eto an-drenivohitra

Efa mila hampiteny ny moana mihitsy ny zavatra miseho isan’andro re etsy sy eroa tantarain’ny olona sendra ireo mpanao sinto-mahery sy mpanendaka ary mpangarom-paosy saika manerana ny renivohitra izany. Any anaty taxi-be, taxi-brousse sy ambony Scooter ary eny an-dalana eny.

Hafetsena. Fomba maro dia maro no entin’ireo mpangalatra ireo manao ny asa ratsiny. Ao ireo mampiasa hafetsena fotsiny izao. Araka ny fantatra, rehefa hangalatra ao anaty fiara ry zalahy dia zavatra faran’izay tsotra no ataony. Ireny fiara mijanona ireny no lasibatra. Misy olona ao anatiny. Roa na telo ireo mpangalatra no miaraka. Mody alefany any ambany fiara any ny kapany. Miondrika ao izy misikotra izany na koa somary hozongozoniny ilay fiara. Gaga ilay tompony ary tsy maharitra fa mivoaka mijery na koa manokatra fitaratra. Amin’io fotoana io, tsy ampy iray minitra dia lasan’ireo namany ny poketra na kitapo dia iny izy no tsy hita. Efa maro no voa ohatra an’izany teny amin’ny faritr’Isotry. Mbola hafetsena hafa ihany koa. Arahabainy ilay olona, rehefa miteny tsy mahafantatra azy, hitantarany zavatra tsy misy eo. Kinga tokoa ilay izy avy eo mangarona ny paosy na maka ny kavina na famataranandro. Amin’io fotoana io, tsy avelany ny tanany. Dia variana eo fotsiny ary efa lasa izy vao tonga saina. Santionany fotsiny ireo fa tsy voatanisa ny tetika hampiasain-dry zalahy.

Herisetra. Izay tratran’ny mpanendaka na « mpisam » mampiasa herisetra dia mandraingiraingy avokoa. Ny tena mahavariana ny maro dia hainy tsara ny maka ny kiraro eny amin’ny tongotra. Telo izy no miaraka. Hilaharany ilay remby. Ny roa mibata ary ilay fahatelo maka ny kiraro dia izay. Fa tena fahakingana mahagaga koa ny fanalany ny kavina eny amin’ny sofina. Tsy ampy iray minitra, azony izany. Indraindray maratra ilay olona. Misy ireo tsy tonga saina raha tsy efa lasa ilay mpangalatra. Sahala amin’izany koa ny fisintonana rojo amin’ny tenda. Ny tena atahoran’ny mpiantsena dia ireo mampiasa hery fotsiny izao. Na ireny lehilahy faran’izay matanjaka ireny aza voa ary misy mihitsy aza moa no mamoy ny ainy. Tsy mifaditrovana ireo jiolahy. Manana basy na sabatra izy ireny ary tena hampiasainy tokoa izany. Fa ny zava-baovao dia ireo andian-jatovo tsy ampy taona, mihoatra ny folo, manao tambabe amin’izay hoendahiny eny Analakely eny. Vao tamin’ity herinandro ity no nisy olona nitondra 4X4 nitangoronan-dry zalahy ary dia voaroba soamantsara. Mitazam-potsiny ny mpandalo fa matahotra azy ireo. Ny harom-paosy anaty fiara fitaterana dia tsy lazaina intsony. Tsy vitsy ireo efa nitondra faisana. Manao andiany ry zalahy miditra. Indraindray olona efa narahiny no lasibatra. Hipetrahany eo akaikiny eo ary avy hatrany dia ambanany antsy na vy maranitra. Resahiny moramora hanome azy ny poketra na ny finday. Tsy afaka mihetsika noho ny tahotra ilay olona. Efa miala ry zalahy vao sahy miteny. Ao koa ireo mody misisika. Mora fantatra izy ireny, hoy ireo efa voa. Tsy maintsy miakanjo matevina be ry zalahy na mafana aza ny andro. Mitakosina eo izy ireo ary tena hainy ny maka ny zavatra anaty paosy sy poketra izay didiana amin’ny hareza.

Halatra fiara sy Scooter. Tato ho ato dia miverina indray ny fangalarana fiaran’olona maka lasantsy. Vao tsy ela akory izay, tetsy Antanimena sady very ny fiara no naratra ny tompony. Tsy mihambahamba ry zalahy mamoha varavarana dia miditra. Amin’io fotoana io, maro ny olona mahita izay mihevitra fa mifankahalala ireo. Efa lasan’ireo olon-dratsy ny fiara sy efa maratra ny tompony vao tonga saina. Amin’ity halatra fiara ity, maro ny vaovao no milaza fa efa misy mpandray avy hatrany izy ireny. Izany hoe, misy mpaniraka ireo mpangalatra. Tsy eny amin’ny tobin-dasantsy ihany fa eny amin’ny arabe, any anaty garazy sy ny toerana maro hafa no hisehoan’ny halatra. Malaza koa ny lalana avy aty Antanimena ho any Ankadifotsy amin’ny halatra Scooter. Raha vao mijanona kely fotsiny dia misy manambana basy ary dia entiny ny moto. Misy izany koa amin’ny toerana hafa.

Mirongatra izay tsy izy ny asan-jiolahy ary efa tsy resahina intsony ny fandrobana miaro vono olona miseho isak’alina etsy sy eroa.

No comments: