Wednesday, March 07, 2012

SEMPAMA Manomboka anio ny fitokonan’ny mpampianantra tsy hisy fetra

Image Ekena fa tsy ho voavalin’ny fitondram-panjakana 100% ny fitakianay ka horaisinay an-tanan-droa aloha izay hatolotr’izy ireo, na dia ho fanafody ‘’calmant’’ ihany aza
’’Marary ny mpampianatra amin’ny EPP, CEG ary Lycée eto Madagasikara. Tsy nohenoin’ny fitondram-panjakana sady tsy nomeny valiny ny fitakian’ny SEMPAMA momba ilay karama mampahantra sy mahamenatra amin’ny fiarahamonina’’, hoy Raharovoatra Claude, filohan’ny SEMPAMA, tamin’ ny valandresaka nataon’izy ireo ho an’ny mpanao gazety tao amin’ny INFP Mahamasina, omaly. Efa tapaka nandritra ny filankevi-pirenen’ny sendikan’ny mpampianatra, ny 5 oktobra 2011 teo, fa tsy hanaiky intsony ny hatao vatolampy hotaingenam-borona intsony izy ireo ka handray an-tanana ny famerenana ny hasin’ny mpampianatra. Porofon’izany ny nanaovana ny fitokonana fanairana ny 27, 28, 29 febroary teo izay tsy nisy valiny hatramin’izao.
Samy manana ny hetsika hataony
‘’Antso avo no ataonay ho an’ny ray aman-drenin’ny mpianatra rehetra: aoka tsy handefa ny zanakareo hianatra intsony aloha ianareo fa hitazona azy ireo any an-trano mandra-pamahan’ny fitondram-panjakana ny fitakianay’’, hoy ihany ity filohan’ny SEMPAMA ity. Nohamafisiny moa fa samy manana ny hetsika hataony ny isam-paritra ho fanehoana ny fitakiana iraisana izay tsy hisy fetrany. Notsindrian’izy ireo kosa anefa fa tsy maintsy hisy ny fanadinam-panjakana, ny programa koa tsy maintsy ho vita ary tsy hisy ny taoana fotsy amin’ity taom-pianarana ity. Ekena fa tsy ho voavalin’ny fitondram-panjakana 100% ny fitakiana ka horaisina an-tanan-droa aloha izay atolotr’izy ireo na dia ho fanafody ‘’calmant’’ ihany aza.
Tambin-karama maro
Araka ny fitakiana novakian’izy ireo tamin’ny mpanao gazety dia isan’ireny ny: ‘’rubrique 512- Indemnité forfaitaire de residence ‘’: 90 Ar teo aloha ka tokony ho 100 000 Ar
izao. Ny ‘’rubrique 517- Indemnité de fonctionnement’’ 1400 Ar ka tokony ho 150 000 Ar. Ny ‘’ indemnité de risque’’ 9000 Ar ka efa 150 000 Ar no takian’ny mpampianatra … sombiny ihany ireo nefa dia mbola natao ho ambany noho ilay fitakiana tamin’ny oktobra 2011 teo. Nomarihin’ny SEMPAMA fa ny mpampianatra iray ‘’ cadre C, catégorie 2 ‘’ efa nampianatra nandritra ny 10 taona mahery dia mandray karama 127 846, 80 Ar isam-bolana.

No comments: