Friday, March 16, 2012

Ambatolampy : Mpanao taxi-moto notapahin-tenda, lasa ny lohany

Vendredi, 16 Mars 2012

Hikarama no nialany tao an-trano, ny fatiny tsy misy loha no hita tany anaty ala.

Tamin’ny alatsinainy, nisy niantso tamin’ny telefonina ny lehilahy iray mikarama manao taxi-moto monina ao Ambatolampy. Rehefa voarainy ny antso dia lasa nandeha tany amin’ny tanana atao hoe Antanamalaza izy. Amin’ny andron’ny orana moa, simba be ny lalana ary moto ihany no fitaovana hitondrana olona. Rehefa antaondro ny andro, gaga ny havany fa tsy mbola tafaverina izy ary nihevitra ireo fa maro ny karama hitany. Hariva ny andro, tsy mbola nody ilay rangahy. Efa nanomboka tsy nandry ny sain’ireo fianakaviana. Ny talata, tsy hita izay nisy azy. Ny alarobia, nampandre ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona ireo havany. Natao ny fikarohana. Akory ny hatairana nahita ny fatiny tao anaty ala. Nisy nanapaka ny tendany. Rehefa notadiavina anefa, tsy hita mihitsy ilay izy hatramin’ny omaly. Ny nahavariana ny olona dia ny vatana mangatsiaka sy ny moto teo avokoa. Ny vola izay fantatra fa tany aminy tsy nisy nanimbinana. Mipetraka ny fanontaniana, hatao inona ny lohany. Lehilahy eo amin’ny 40 taona eo ho eo ity nisy namono ity. Efa mandeha ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao.

No comments: