Tuesday, March 13, 2012

Lehilahy mamon-drongony - Nodarohany ny reniny ary naolany ny anabaviny

Mardi, 13 Mars 2012
Tovolahy iray 19 taona mamon-drongony no nahavita nidaroka ny ray aman-dreniny sy nanolana ny anabaviny vao 10 taona.
Tany Antanifotsy no nisehoan’izany. Tovolahy 19 taona no nahavita nampitondra faisana ny fianakaviany. Tany Antanifotsy no nisehoan’izany ny sabotsy lasa teo. Fihetsika feno habibiana no nampihariny tamin’ireo ray aman-dreniny sy ny anabaviny. Nokaikeriny ny rainy. Taorian’izay, nodarohany ny reniny, ka nodakany ny kibon’ity farany. Lasa nirifatra izy nony avy eo ary naolany indray ny anabaviny 10 taona. Nentina tany amin’ny dokotera ity farany, ka tamin’izany no nahalalana fa simba tanteraka io zaza tsy ampy taona io. Araka ny fantatra, mifoka zava-mahadomelina ity tovolahy ity. Voalaza, fa isaky ny mamon-drongony izy dia manao fihetsika mahery setra hatrany. Ny ao an-trano ihany anefa no tena ataony lasibatra fa tsy mikitika ireo olona any ivelany izy. « Izay miteniteny azy ao an-trano dia darohany. Ny rainy niteraka azy aza toheriny », hoy ny loharanom-baovao.
Niharan’ny fitsaram-bahoaka
« Tamin’ity indray mitoraka ity aza dia lasa lavitra ny fihetsik’ilay tovolahy, satria naolany hatramin’io anabaviny io », hoy ihany ny voalaza. Niezaka nitazona ity lehilahy ity ny olona maromaro saingy niala maina. Rehefa vitany ireo fihetsika mamoafady ireo dia lasa nandositra izy. « Nentiny nirifatra ny bisikileta tao an-trano rehefa nandeha nitsoaka izy, ary namidiny an-tsokosoko izany », hoy ny voalaza. Ny alahady lasa teo anefa dia tra-tehaky ny fokonolona nandehandeha tao an-tsena ity lehilahy ity. Nosamborin’ny olona izy ary niharan’ny fitsaram-bahoaka. Naratra mafy tamin’izany ny tenany.
Taorian’izay vao naterin’ny olona teny anivon’ny mpitandro filaminana izy.

No comments: