Friday, March 09, 2012

Anosibe - Zazalahy anankiroa nalaina fiara « 4x4 » an-keriny

Vendredi, 09 Mars 2012
Miseho amin’ny endriny maro ny tsy fandriampahalemana eto an-dRenivohitra ankehitriny. Ankizilahy anankiroa mpiray tampo no nalaina fiara « 4x4 » iray an-keriny teny Anosibe, ny alarobia maraina lasa teo.
Ankizilahikely anankiroa mpizoky zandry no nalaina fiara « 4x4 » iray an-keriny teo am-pilalaovana. Ny alarobia maraina lasa teo no nisy nibata teny Anosibe izy mirahalahy ireo. Tsy nisy nahatsikaritra izany ireo olona teny amin’ny manodidina, satria tsy mba nitabataba sy niantso vonjy ry zareo. Nihazo an’Anosizato iny kosa ilay « 4x4 » taorian’izay. Afaka ora vitsivitsy no tonga nitady azy mirahalahy teo amin’ ilay tokotany filalaovany ny fianakaviany, saingy tsy hita teo intsony izy ireo. Niroso tamin’ ny fitadiavana sy ny fikarohana avy hatrany iretsy voalohany. Notetezina avokoa ny toeram - pilalaovan’izy roa lahy rehetra. Nanontaniana ireo naman’izy ireo mpiara-milalao sao nisy nahita azy mirahalahy. Niala nenina tamin’ny fikarohana ireo fianakaviana, saingy very hevitra tanteraka sady niala maina.
Nentina tany Atsimo
Omaly maraina kosa dia naharay antso avy amin’ny Zandary any Ivato Centre Ambositra ny Zandary eto Antananarivo, fa misy ankizilahy roa hita any an-toerana. Araka ny fanadihadiana natao tamin’izy roa lahy ireo no nahafantarana, fa monina etsy Anosibe ry zareo. Notantarain’izy ireo tamin’ny mpitandro filaminana avokoa ny antony nahatonga azy ireo tany amin’io toerana io. Nisy lehilahy nibata ry zareo ary nampidirina tao anatin’ilay fiara tsy mataho-dalana. Tsy navela niteny izy roa lahy nandritra izany. Teny an-dalana indray, rehefa mandalo ny Zandary manao barazy, dia naondrik’ireo olon-dratsy niafina tao ambany izy roa lahy kely. Nijanona tamina toerana iray ilay fiara avy eo ary nisokatra ny varavarana, ka iny izy mirahalahy no nanararaotra nitsoaka. Tsy nahafantatra na iza na iza kosa izy ireo, ka nanatona ny Zandary iray hitany teny an-dalana. Ity farany no nitondra azy roa lahy tany amin’ny birao sy nanadihady azy ireo.

No comments: