Monday, March 19, 2012

67 ha sy Andavamamba Ankizy milalao kalesa an-dalambe



Raim-pianakaviana iray no saika nahadona ankizikely nilalao kalesa teny Andavamamba ny faran’ny herinandro teo (Sary Mamy Mael)

Velon-taraina ireo mpitondra fiara eny amin'ny 67 ha-Avaratra sy Andavamamba. Ankizy maro no milalao kalesa eny amin’ny arabe.
Mampidi-doza. Matahotra mafy ka lasa mitandrina fatratra ny mpitondra fiara mampiasa lalana eny amin’ny 67 ha-Avaratra sy Andavamamba. Ny filalaovan'ny ankizy kalesa misy kodiarana eny an-tsisin-dalana ary mahazo ny arabe mihitsy no mahatonga izany. Manao antso avo amin’ireo ray aman-dreny, tompon’ andraikitra voalohany amin’ireny ankizy ireny izy ireo mba hisorohana ny fitrangan’ny lozam-pifamoivozana mety aterak’izany.
«Tsy te-hahalala na inona na inona ny ray aman-drenin’ireo ankizy ireo raha sanatria ka voadona ka maratra na maty eo ny zanany. Tsy main­tsy ianao nahakasika ny zaza no diso na dia efa hita izao aza fa vokatry ny tsy firaharahan’ny ray aman-dreny ny zanany sy ny tsy fisian’ny fanaraha-maso akaiky no nahatonga izany. Hatreto dia ny mitandrina ihany aloha no mety mba hisorohana ny loza », hoy Razafindrabe Charles, raim-pianakaviana saika nahadona ankizy nilalao kalesa teny Andava­mamba ny faran’ny herinandro teo.
Nijanona namonjy sisin’ arabe izy ary nitondra ireo ankizy nilalao ireo tany amin’ ny trano fonenany mba hananatra ny ray aman-dreniny.
Tsy manana tokotany
« Aty no malalaka dia aty izahay no milalao. Tsy manana tokotany azo ilalaovana itony kalesa itony izahay, kanefa itony no kilalao tena tianay sy fialanay voly », hoy i Tafita, zazalahy kely nilalao kalesa niaraka tamin’ny anabavikeliny sy ny namany teny amin'ny 67 ha.
« Efa noraranay tsy hilalao eny amin’ny arabe ny ankizy, fa tsy laitra tenenina amin’ny maha mbola ankizy azy. Farany dia tsy niteny intsony izahay fa leo », hoy Razakarimanana Justin, mpanamboatra fiara sy kodiarana etsy Andava­mamba, vizana miteny sy mananatra ireo ankizikely milalao kalesa eny amin’ny arabe.
« Efa nilazana ny ray aman-drenin’ireo ankizy ireo fa kilalao mampidi-doza no ataony, kanefa tsy nahoan’izy ireo izany. Tsy hita tenenina mba handray andraikitra koa ny ao amin'ny fokontany satria sahirana amin’ny adidy maro ara-panjakana sahaniny », hoy kosa Rasoanambinina Théodore, mponina iray eny 67 ha-Avaratra.

No comments: