Monday, March 12, 2012

Ambatondrazaka : Zazavavy 12 taona naolana dia bevohoka

Lundi, 12 Mars 2012 00:00

Ny endrik’ilay zazavavy kely nanomboka niova no samy nahataitra ny mpiara-monina sy ny renin’ilay zaza. Miasa tena manetsa amin’olona ny renin’ity zazavavy vao 12 taona ity, ny manodidina azy ireo dia misy renim-pianakaviana miaraka amin’ny anadahiny miara-mipetraka. Nilaza tamin’ny renin’ilay zaza ity ramatoa ity ny mba hanampiany azy ireo rehefa tsy mianatra izy. Nanaiky itsy farany satria izy rahateo dia sahirana ka tsy afaka hanara-maso ilay zaza izay mbola mianatra any amin’ny EPP. Rehefa nandeha ny fotoana ka indray hariva izay tsy naha tao an-trano ilay ramatoa izay hiasan’ilay zaza dia ny anadahiny izay vao 17 taona no tao an-trano. Avy hatrany dia nakatony ny trano dia nataony an-kery tao ilay zaza ka rehefa vita ny nataony dia nampitahoriny mafy hoe hovonoina raha miteniteny ary homeny vola ary hatao vadikely. Tsy nahasahy niteny tamin’ny rehetra ilay zaza satria natahotra. Nanomboka ny krisimasy 2011 no nanaovany izany hoy ny fitantarana ary nitohy tamin’ity taona 2012 ity. Ny manodidina no nandrisika ity renim-pianakaviana ity hametraka ny fitarainana tany amin’ny polisy ka nisokatra ny fanadihadiana. Nandositra ilay zazalahy 17 taona fa ilay zazavavy izay feno 13 taona tamin’ny volana febroary 2012 teo no nozahain’ny mpitsabo ka fantatra fa efa mananika ny faha 3 volana ny kibony. Ny faran’ny herinandro lasa teo dia naterin’ny rainy tao amin’ny polisy ilay zazalahy nahavanon-doza ka nanaovana fanadihadiana, nanda hatramin’ny farany anefa izy, anefa ilay zaza nanazava fa dia izy no nahabevohoka azy. Natolotra ny fitsarana ny faha 08-n’ny volana marsa 2012 teo ny nahavanon-doza, ary voatery nampidirina am-ponja vonjimaika miandry ny fitsarana azy.

No comments: