Wednesday, April 28, 2010

Tsy maintsy mahita vahaolana ny any Pretoria hoy ry zareo Mpanohana ny ankolafy telo

Nangorom-potsy Alarobia omaly. Miandrandra vahaolana ny mpitolona.
Manery mafy an-dry zareo atsy Pretoria tsy maintsy mahita vahaolana ny mpanohana ny ankolafy Madagasikara. Nahery vaika ny fihetsehana tetsy amin’ny Kianjan’Alarobia omaly. Raha ny fahitana an’ireo mpihetsika dia tena miandrandra vahaolana avy atsy Pretoria. Mety ho henjana ny zava-hitranga raha toa ka tsy mitondra na inona na inona mody ireo nampihaonina any Afrika Atsimo. Ireo mpitari-tolona izay nandray fitenenana dia efa nahasahy nihantsy an’ireo ankolafy efatra raha tsy mivaha ny olana. “Tsara ho anareo efa-dahy ny mijanona any Afrika Atsimo rehefa tsy mahavaha olana” hoy Rasomotra tsy nisalasala tamin’ny fiteny hentitra. Naveriny indray.
“Raha tsy misy ny vahaolana dia mijanonà any fa izahay tsy hanaiky intsony. Mijanonà any fa aleo hitondranay ny tany sy ny firenena” hoy izy namatrapatratra. Dia nomarihiny sahady fa “hiaraka ho eny Ivato isika amin’ny fotoana hahatongavan’ireo”. Nanamafy an’ireo ny mpitarika avy amin’ny ankolafy Didier Ratsiraka. “Manery anareo efatra izahay. Aza miala any raha tsy mitondra voandalana ho anay”hoy ny Depiote BerthineIng. Harryson Razafindrakoto, mpitarika avy amin’ny ankolafy Zafy Albert koa dia nampiaka-peo nilaza fa “raha tsy misy ny vahaolana hita any Pretoria dia aza mody fa aleo izahay hitolona indray hanaovanay azy”. Dia nanizingizina ny tsy maintsy hanaovana ny fampihavanam-pirenena ity farany sy Rtoa Lalatiana Ravalolomanana. “Tsy maintsy mandalo amin’ny fampihavanam-pirenena ny zava-drehetra fa raha tsy izany dia vao tafaverina avy any ireo dia hifanolana indray.”
Ing. Fetison Andrianirina dia nanome toky tamin’ny fidirana an-telefaonina mivantana. “Toky no homenay anareo fa tsy hamitaka anareo izahay ary hitondra voandalana ho an’ny vahoaka Malagasy” hoy izy.

No comments: