Wednesday, April 21, 2010

Mpangataka mitrotro zaza nefa mpitily...


Voasambotry ny polisy tamin’ny talata teo ny ankizy miisa telo mbola tsy ampy taona nefa dia efa kinga tokoa amin’ny fanendahana eny amin’ny faritra Analakely iny. Eo amin’ny 12 taona eo ho eo ny salan-taonan’izy ireo. Rehefa natao ny fanadihadiana dia fantatra fa vehivavy no mpaniraka azy ireo mangalatra.

Mikarama 5 000 ariary isan’andro isan’olona ireto ankizy ireto rehefa manao ny « opération ». Ny halatra an’ireny finday Black Berry izay anisan’ny tena tsara ireny no manavanana an-dry zalahy. Voalazan’ny vaovao fa fantatr’izy ireo tsara tokoa ny manavaka io zavatra io amin’ny telefonina tsotra, na foza orana no filazan’ny maro azy. Ireny mantsy tsy mba anagalariny. Samy mikolay avokoa ny olona mitondra ireny. Tamin’ny alatsinainy lasa teo, nisy tovolahy kely iray vao 12 taona tratra nangalatra ary avy hatrany dia nosamborina. Rehefa tratra izy io dia nanoro ny namany sy nitantara ny fanaon’izy ireo. Mboa tsy nanondro ny mpaniraka azy kosa anefa izy.

Ny talata alina, nisy fiara nijanona teo akaikin’ny Glacier. Nisy ordinatera portable tao anatiny. Nisy nangalatra anefa io zavatra io. Niantso polisy ny tompony rehefa nahatsapa ny fahaverezan’ilay fananany. Vehivavy iray no hita teo akain’ilay fiara ary io no nanontaniana. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa ity ramatoa ity no nahita ilay mpangalatra ary nanoro ny tanana ipetrahany. Naleha tany amin’ilay trano natorony eny Antohomadinika ka hita tao tokoa ilay « portable ». Efa lasa nandositra kosa anefa ny tompon-trano. Nitohy ny fanadihadiana an’ilay vehivavy ka nibaradaka ny anao vavy fa izy no mpaniraka an’ireo ankizy hangalatra. Marihina fa ity ramatoa ity dia ireny mody mangataka mitrotro zaza manerana an’Analakely ireny. Hay mitily izay hangalarina.

Efa nalefa any amin’ny PMM kosa ireo ankizy telo nosamborina.

No comments: