Thursday, April 29, 2010

Acte de rébélion au sein du CAPSAT


Niakatra ny feo, raikitra ny orakoraka ary niafara tamin’ny fanimban-javatra mihitsy. Omaly (29 aprily)) tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro no nisehoan’izany tao amin’ny tobin’ny Capsat etsy Soanierana. Raha araka ny fantatra dia noho ny tsy fahazoan’ireo miaramila “zazavao” ny tambin-karamany no nahatonga an’ireo hanao fihetsiketsehana tao anaty toby. Nampiseho ny tsy fahafaliany izy ireo tamin’ny fanimbàna zavatra. Ny tena fantatra aloha dia ny fahasimban’ny fiara mini-bus iray izay miasa ao amin’ny koperativa Sonatra. Nopotehin’ireo miaramila zazavao izy io mba hanalan’ireo ny fony. Fiara izay nofaina mba hanatitra an’ireo any amin’ny tany niaviany anefa. Mbola teny an-toerana hatrany no nahafantarana fa niravona avy hatrany ny olana rehefa navoaka faran’izay haingana ny tambin-karama. Fotoana vitsy monja taorian’izay mantsy dia efa nanomboka ny fizarana. Toe-javatra izay nahalasa ny sain’ny maro ihany hoe nisy ihany izany ilay vola ka naninona no niandrasana fotoana vao nomena?

Afindra ny fitaovam-piadiana? Mbola iny andron’iny ihany koa no nandehanan’ny feo fa hoe nisy fitaovam-piadiana nivoaka, hoe basy roa gony, tao amin’io toerana io. Tsy nahazoam-baovao ny momba izany ary ny lehiben’ny toby rahateo dia tsy tao an-toerana tamin’ny fotoana nandalovanay teny. Na izany aza dia nisy ny mpitandro ny filaminana sasany izay nilaza fa efa nandre izany ihany koa. Tsy ao amin’ny Capsat ihany, raha araka ny feo nandeha hatrany, fa isaky ny toby dia manomboka mamindra tsikelikely fitaovam-piadiana nanomboka tamin’ireny fikasàna hanongam-panjakana sy fanafihana toby ireny. Asa, mety fepetra noraisina angamba izany, raha tena ho izany tokoa, mba hialàna amin’izay mety ho fahavoazana raha sendra misy tokoa ny fanafihana. Hatreto mantsy dia mandeha indroa miantoana hatrany ny paikadin’ireo olona izay voalaza fa hanongam-panjakana. Ny voalohany dia ny fanafihana ireo toerana izay misy fitaovam-piadiana betsaka. Ireo fitaovana ireo indray avy eo no entina hangalàna ny Fanjakana, mazava ho azy amin-kerisetra. Manazava izany ilay tranga farany teo. Saika halaina aloha ny Lapan’i Mahazoarivo izay misy fitaovam-piadiana maro. Rehefa vita izay dia miditra amin’ny lalindalina kokoa, dia ny fanafihana an’Ambohitsorohitra izany.

No comments: