Friday, April 06, 2012

Vato mahagaga miendrika fo - Miova loko rehefa misy loza, manitra be raha hilaza fahasoavana

Betsaka ny misitery eto amin ’ ity planeta tany misy antsika ity. Isan ’ izany ny asan ’ ity vato mahagaga ity, izay afaka manasitrana olona. Vato voajanahary manana ny heriny manokana izy io. Mamoaka fofona manitra ilay izy rehefa miseho ny toe - javatra tsara ary miova loko kosa rehefa hisy lozabe na zava - dratsy hiseho amin ’ ny olona iray, na eto amin ’ ny Firenena.
Misy lalan - dra…
« Vato mahagaga » no anaran’ ireto vato ireto. Raha tazanina, dia tahaka ny fon’ olombelona ny endriny ary tahaka ny misy lalan - dra mihitsy aza manodidina azy. Manana ny hasiny izy ireo ary manana ny heriny manokana ihany koa. Afaka hanasitranana ihany koa anefa. Efa an - taonany maro no nananan’ i Aina, mpitaiza olona etsy Itaosy, an’ ireo vato ireo, izay ataony fanampin’ ny fitsaboana an’ ireo marary. « Ireo tena marary be sy tratran’ ny olana goavana no tena ampiasaina an’ ireo vato ireo. Atokana amin’ ny toerana manan - kasina izy ireo rehefa tsy ampiasaina. Rehefa tonga kosa ny olona mila izany, dia hoentina ao anatin’ ilay efitra misy an’ ilay izy. Asaina mitsapa an’ io vato io ilay olona ary sitrana avy hatrany. Voavaha ihany koa ilay olana lehibe aorian’ ny fitsapany azy io. Tsy izay olona rehetra manatona anay akory, dia avela hitsapa an’ io vato io, fa araka ny voalaza tetsy ambony hoe ireo tena manana olana goavana », araka ny fanazavan’ ity mpitaiza olona tompon’ ilay vato ity.
Tsy miaraka amin ’ ny tapa - kazo…
Nohamafisiny ihany koa, fa fanampin’ ny fitaovana fanasitranany olona fotsiny ihany ireo vato ireo. « Amin’ ny alalan’ ny Sorabe no itsaboana ny olona eto. Fanampiny fotsiny ireo, ary izaho ihany no manana an’ ireo. Fitaovam - pitsaboana marobe samihafa mantsy no entiko manasitrana olona eto, izay tsy dia fahita firy any an - kafa. Tsy mba mampiasa tapa - kazo kosa ny tenako. Fady ary tena tsy miaraka amin’ ny fomba fitsaboana eto ireny tapa - kazo ireny sy ny sikidy. Ny tompon’ ny hery antsoina hoe Jiny ao anatin’ ny Sorabe no mandravarava ny sakana sy ny tsy mety mpahazo ny olona, ka io no ivon’ ny fanasitranana olona eto », hoy hatrany ny fanazavana.
Mamoaka fofona manitra be…
Mampiseho avy hatrany ny heriny ireo vato ireo rehefa manasitrana an’ ilay olona. Hita ety ivelany ny fambaran’ izany.
« Ho an’ ireo tonga mijery vintana na mijery zavatra hiseho, dia mampiseho fambara ireo vato ireo. Mamoaka fofona manitra be manerana ny trano izy ireo, raha zavatra tsara no hiseho. Miova loko kosa ireto vato ireto raha zava - dratsy no hitranga. Miofo ho volondavenona na volombatolalaka ny lokony raha zava - dratsy no hiseho. Raha misy zava - doza hitranga eto amin’ ny Firenena, tahaka an’ ireny raharaha 7 febroary 2009 nahafatesan’ olona marobe ireny, dia miova endrika ho azy
ary milaza ilay fambara mialoha ireo vato ireo », hoy hatrany ny fanazavany.
Fitaovana manampy
Tena fitaovana manampy amin’ ny fomba fitsaboana izany ireo « vato mahagaga » ireo. « Ny ankamaroan’ ireo olona tonga eto aminay, dia saika manana olana ara-pitiavana avokoa. Tsy nisy niveri - maina anefa izy ireo, fa nahita ny rariny avokoa. Tamin’ ny alalan’ ny mosoarany izao no namerenana an’ i Harisoa, ilay renim - pianakaviana efa nandao ny vadiny efa ho roa taona izao. Io mosoarany io no nakasoka tamin’ ny iray tamin’ ireo vato mahagaga, dia izao nahitam - bokany izao izany. Tonga nankasitraka sy nisaotra teto ny vadin - dramatoa Harisoa, noho ny fiverenan’ ny fiainany tamin’ ny laoniny indray. Tiana ny manamarika, fa ankoatra an’ io mosoara io, dia nomena Sorabe ihany koa izy ireo, ka dia nilamina soa aman - tsara ny fiainam-pianakaviany», hoy hatrany ny fanazavana.

No comments: