Saturday, April 07, 2012

Tsaratanàna : Polisy nifampitifitra tamin’ny jiolahy nanakan-dàlana, roa maty

Tsy niahotra mihitsy ilay polisy nifampitana tamin’ireo jiolahy.
Jiolahy miisa efatra nirongo basy no nanakana ity fiara “tracteur remorquée” nitondra fitaovana orinasa sy mpandeha maromaro nitondra lelavola mitentina 50 tapitrisa Ariary saika hividianana volamena. Ny 23 Martsa lasa teo no nitrangan’izany tokony ho tamin’ny 12 ora antoandro, tamin’ny làlam-pirenena fahefatra iny, tao Ambavahadiala, izay 51 kilaometatra tsy hidirana an’i Tsaratanàna. Avy hatrany dia nanao tifitra variraraka ireo jiolahy. Nisy polisy iray avy namita iraka avy aty Antananarivo indrindra anefa tao anatin’ilay fiara tamin’io ka avy dia nivoaka ny fiara io raha vao nahita ireto jiolahy. Tsy niahotra mihitsy izy fa naneho ny hakingany tamin’ny fifanandrinana tamin’ireo jiolahy mba ho fiarovana ny mpandeha sy ny zavatra nentiny. Raikitra ny fifampitifirana ka voatifitr’ilay polisy ny jiolahy iray saingy mbola tafatsoaka ihany.

Voasambotra

Ankoatra ity iray voatifitra dia mbola nisy jiolahy iray voasambotra niaraka tamin’ny basiny koa. Nanaovan’ny fokonolona fitsaram-bahoaka anefa io ka maty ihany koa. Roa andro taorian’io fanafihana io dia fantatra fa hita maty tany anaty ala tokony ho 800 metatra miala ny toerana nisian’ny fifampitifirana koa ilay jiolahy iray voatifitra. Nisaotra an’ity polisy ity avokoa moa ny mpandeha rehetra tao anatin’ilay fiara satria raha tsy nisy azy dia mety ho efa voaroba avokoa ry zareo. Fantatra tamin’izany fa mpikambana tao amin’ny Hery Vonjitaitran’ny polisy(GIR) taloha izy, izay brigadier de police, saingy nahazo famindran-toerana niasa any amin’iny faritr’i Tsaratanàna iny. Raha nanontaniana moa izy dia nilaza ny faniriany ny mba tokony hijerena ny mpitandro ny filaminana tsirairay amin’ny asa tsara ataony.

No comments: