Saturday, April 07, 2012

Itaosy - Ankizilahy sarona nanolana zaza valo taona

Samedi, 07 Avril 2012

Ankizilahikely 14 taona no niakatra teo anatrehan’ny Fitsarana, tao amin’ny efitrano fahefatra, ny talata lasa teo. Voalaza, fa nanolana zazavavikely iray 8 taona izy ary mbola nanery ny anadahin’ity farany ihany koa nanao fihetsika mamoafady tamin ’io anabaviny io.
Asa na ny fiarahamonina amin’izao fotoana izao mihitsy no efa iharam-piovana tanteraka, na ny fitaizana sy ny fanabeazana no mandringa. Ankizilahy iray 14 taona mantsy, dia efa mahalala manolana sahady. Zazavavikely iray valo taona no nanaovany izay fihetsika mamoafady izay. Teny Itaosy no nisehoan’izany. Ny talata lasa teo izy no nandalo teo anatrehan’ny Fitsarana, tao amin’ny efitrano fahefatra. Nandritra ny fifandaharana no nahalalana, fa mpiray vodirindrina ihany ry zareo. Tsy vao indray mandeha ity ankizilahy ity no nanao io fihetsika io, fa efa indroa. Rehefa tsy eo ny renin’ilay zazavavy, dia aboridany ary anaovany fihetsika tsy mendrika ity farany. Efa kamboty ray rahateo ilay zazavavikely. Tamin’ny 14 sy 15 jona 2011 no nisehoan’ilay fanolanana. Kisendrasendra fotsiny no nahalalan’ilay renin’ilay zazavavy, fa nisy io fihetsika mamohehatra io. Sendra notenenina ilay zaza, ka tamin’izay no nilazan’ny anadahiny ny zava-nihatra tamin’ity anabaviny ity. Araka ny voalaza mantsy, eo imason’io anadahiny io no anaovan’ilay ankizilahy ilay fihetsika. Tsy vitan’izay, fa teren’ity mpanolana ity hiboridana ihany koa ilay anadahin’ilay zazavavy, izay sivy taona. Aorian’izay, tereny hanao fihetsika tsy mendrika ihany koa izy mianadahy.
Voasazy
Nitondra ny raharaha teny amin’ny mpitandro filaminana ny renin’ilay zazavavy, ka izao niakatra Fitsarana izao izany. Nalefan’ny Tribonaly hotazomina mandritra ny roa taona eny amin’ny toeram-panarenana zaza nania eny Anjanamasina kosa ity ankizilahy ity. Voalaza, fa nisy tsiranoka nandeha tamin’ ny mahavehivavy an’ilay zazavavy niharan’ny herisetra. Fantatra io, taorian’ny fizahana nataon’ny dokotera. Mampametra-panontaniana loatra ity tranga ity. Ankizilahikely vao 14 taona ve dia mahalala manolana sahady ? Inona no tena mahatonga izany ? Ny tomponandraikitra rehetra eto amin’ ny Firenena sy ny tsirairay, dia samy tokony hamaly ireo fanontaniana ireo. Matoa mantsy manaotao foana ny ankizy sy ny zaza madinika, dia ny lehibe izay no tsy mahavita ny adidiny. Ny tranga toy izao dia maneho, fa marary hatrany ifotony ny fiarahamonina malagasy. Raha tsy mandray ny andraikiny manoloana izany ny rehetra, dia ho potika izao taranaka malagasy izao ary tsy misy fanantenana intsony ny ho avin’ny Firenena iray manontolo.

Écrit par Harilaza R.

No comments: