Wednesday, April 04, 2012

67 ha : Notapahina ny tendan’ny mpiasa an-trano, nafatotra ny « patron », lasa ny vola Ar 15.600.000 tapitrisa

Mercredi, 04 Avril 2012

Novonoina ho faty ny mpiasa an-trano. Lasa ny vola vao avy nalaina tany amin’ny banky. Jiolahy mitam-basy efa miandry fotsiny ny fahatongavan’ny tompon-trano no tao an-trano…

Fanafihan-jiolahy miaro vonoan’olona no nitranga tetsy 67 ha ny alatsinainy lasa teo. Valo lahy, ny enina amin’ireo manao saron-tava, no indray nandroba tao amin’ilay tokantrano. Iny hody avy niasa iny ny tompon-trano, rangahy iray, no efa nisy olona niandry tao anaty trano. Izany hoe efa tonga aloha tao an-tokantranony ireo jiolahy. Nilaza ireo farany ny mba tsy hiantso vonjy, izany rehetra izany dia tao anaty fandrahonana tamin’ny antsy sy basy. Namaly anefa ilay rangahy ka teo izy no voatsindrona tamin’ilay zava-maranitra. Tsy afa-nanoatra firy rahateo satria be noho ny vitsy. Nofatoran’izy ireo nony avy eo. Ilay ramatoa mpanampy an-trano koa, raha ny filazan’ireo jiolahy tamin’ilay tompon-trano, dia efa mifatotra ao ambony rihana. Raha araka ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana dia vao avy naka vola mitentina 15 tapitrisa ariary tany amin’ny banky io lehilahy io. Ankoatra izay dia efa nisy vola mitentina 3 tapitrisa ariary hafa koa nipetraka tao an-trano, efa azon’ireo jiolahy. Izany hoe avy amin’ny alalan’ilay mpiasa an-trano no mety nahazoan’ireo io vola 3 tapitrisa ariary io. Lasa avokoa ireo tetibola roa samihafa ireo. Ny iray tamin’ireo jiolahy dia tsy taitra mihitsy fa natory tao amin’ilay trano ary nanao izay danin’ny kibony na dia efa vita aza ny fandrobana. Ny ampitson’iny, tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro, izy vao niala tao. Nahavaha tena ilay rangahy rehefa tsy tao intsony ny olon-dratsy. Nitety ny trano izy ary akory ny hatairany fa hay efa maty ilay mpanampy azy tao ambony rihana. Mifatotra izy io ary goaka ny tendany, heverina ho nodidiana tamin’ny antsy. Feno rà miraradraraka tao ambony rihana, manodidina an’ilay faty efa mitsiatra. Nampandre ny fokontany sy ny pôlisy avy hatrany ilay rangahy manoloana an’izany rehetra izany. Nanomboka teo no nosokafana ny fanadihadiana. Ny azo eritreretina aloha dia olona fantatry ny ao an-trano ihany ny sasantsasany amin’ireo jiolahy izay nanao saron-tava. Manaraka izany, ahoana ny fomba namantaran’izy ireo fa hisy vola vao nalaina tany amin’ny banky entin’ny tompon-trano mody ? Ary farany, inona ny antony namonoana ho faty ilay mpanampy an-trano ?

No comments: