Monday, April 16, 2012

Toamasina : Voaroba ny fiaran’ny kolonely Lilison, very ny vola 20 tapitrisa sy Ipad, olona iray voatifitra

Lundi, 16 Avril 2012


Manjaka hatraiza hatraiza ny asan-jiolahy, ny halatra sy ny vaky trano. Tsy mifidy ireo mpandroba.

Tamin’ny fetin’ny paska teo, norobain’ny sasany ny fiaran’ny kolonely Lilison izay nandeha niala voly tany Toamasina. Napetraka teo amin’ny « parking » io fiara io tao amina « bungalow » iray any Mangarano. Nisy namaky anefa ilay fiara ka very tamin’izany ny vola 20 tapitrisa, Ipad iray ary entana maromaro. Rehefa nijery ny fahavoazany ny tompon’ny fiara dia nandeha avy hatrany ny fanadihadiana. Ny mpiambina ilay toerana no nanaovana izany voalohany. Nilaza ihany io farany io ary niteny fa 10 tapitrisa no anjarany. Rehefa nanontaniana izy dia nanondro olona iray mpiasan’ny tiribonaly any an-toerana izay nolazainy fa dadatoany ka efa nomeny an’io ny vola. Niroso ihany ny famotorana ka fantatra, araka ny filazan’ny kolonely, fa efa voasambotra ity mpiasan’ny tiribonaly ity amin’izao fotoana izao.Tsy nijanona teo anefa ny raharaha, nanondro olona iray hafa ihany koa ilay mpiambina ny « parking ». Tamin’ny zoma lasa teo, naleha tany an-tranony io olona io ka tratra tao. Natao ny fisavana soa dia mba misy entana nafenina ihany tao. Tsy nisy izany anefa fa rongony, voalazan’ny vaovao fa be dia be, no hita. Tsy fantatra izay tao an-dohan’ny tompon’ny trano fa lasa nandositra ny anao lahy. Na dia efa nasaina nijanona aza anefa dia nandeha ihany. Voatery nitifitra ireo mpitandro filaminana ka maty vokatr’izany izy. Ny loharanom-baovao ihany no nahalalana fa efa fantatry ny rehetra fa anisan’ny jiolahy mpanamboatra ao an-tanana izy io.

Amin’izao fotoana izao, misy ny fepetra noraisin’ny tompon’andraikitra koa dia nakatona mandritra ny fotoana tsy voafetra ilay toerana fandraisam-bahiny. Ny vaovao hafa voaray mantsy no nahalalana fa herinandro talohan’izao, nisy mpiasana banky iray voaroba vola 13 tapitrisa koa tao. Tsy izany ihany fa malaza ho fandalovan’ny olon-dratsy isan-karazany io toerana io.

Nilaza moa ny kolonely Lilison fa hiresaka

No comments: