Monday, January 23, 2012

Sakoroka Ivato : Olona iray maty, roa maratra ary fito voasambotra

Nisy nandrehitra ny fanariana fako vita amin’ny « plastique » teo akaikin’ny Cargo Air France. Io no anisan’ny nitarika ny sakoroka tamin’ny sabotsy.

Tamin’ny fotoana nandehanan’ny olona maro hamonjy fodiana no raikitra ny sakoroka. Vokatr’izany zavatra izany, olona iray no fantatra fa maty, roa hafa maratra ary mbola tsaboina eny amin’ny HJRA. Etsy andaniny, olona fito no nosamborin’ny mpitandro filaminana ary tazonina eny amin’ny biraon’ny zandary Tana ville eny Betongolo.

Sakoroka. Tsy dia mbola lavitra ny seranam-piaramanidina no niandoahan’ny sakoroka. Nisy andian’olona nandrehitra ny fanariana fako iray teo akaikin’ny Cargo Air France. Io zavatra io no nitarika ny fisavoritahana. Tokony ho tany amin’ny 5 ora mahery tany ho any no niseho izany. Nisy koa anefa tetsy andanin’izany, olona nametraka barazy ary nadrehitra afo ihany koa. Ny toratorabato manaraka ihany. Tsy niandry ela ireo mpitandro filaminana fa avy hatrany dia niditra an-tsehatra nanaparitaka ireo olona ireo tamin’ny fanapoahana grenady mandatsan-dranomaso. Dia samy nirifatra nitady ny lalany ny rehetra. Ireo andian’olona nihetraketraka tamin’izany dia niezaka nanimba zavatra tamin’ny torabato. Vokany, fiaran’ny gazety Taratra sy an’ny zandary iray no vaky fitaratra avy aoriana. Voatoraka ihany koa ny fitaratra anoloana an’ny Auto Diffusion sy ny Toyota ary nahasimbana.

Olona maty. Tsy nijanona tamin’izany anefa ny raharaha fa raikitra ny fanenjehana nataon’ireo mpitandro filaminana miampy ny fandefasana grenady mandatsa-dranomaso. Hatreny Talatamaty, mbola re hatrany ny firefotry ny grenady. Nisy olona maromaro niaraka hiakatra aty an-drenivohitra. Tsy nisy fiara mpitatitra intsony anefa ka dia tsy maintsy nandeha an-tongotra. Anisan’ireo ity olona namoy ny ainy ity antsoina hoe Rabemiarana Njaka. Araka ny fitantaran’ny fianakaviana dia niaraka izy ireo. Tampoka teo anefa toa nitolefika fotsiny ilay lehilahy ary tsy afaka nandeha. Niantso ireo havany izy hijery azy fa tena marary. Dia noraisina ary notantanana. Tao amin’ny hatony no nitarainany ho narary. Rehefa nojerena dia nivonto be izany ary malemilemy. Tsy misy rà mivoaka anefa amin’io faritra io. Tsy nisy nahalala na voatora-bato na voatifitra grenady na bala fingotra izy. Tapaka ny hevitra fa tsy maintsy hampidirina hopitaly ity maratra ity. Nahita fiara nitondra azy ihany ireo niaraka taminy. Avy hatrany dia nampidirina tao amin’ny “service neuro-chirurgie” izy rehefa teny Ampefiloha. Nizaha azy teo ny mpitsabo ary novidiana ny fanafody. Rehefa tany amin’ny 9 ora alina tany anefa, tsy nahatsiaro tena intsony i Njaka ary dia nalefa tany amin’ny sampana famelomana aina. Ny vaovao ihany no nahalalana fa tamin’ny 10 ora sy sasany no maty izy.

Rehefa nanontaniana, omaly, ny mpitsabo nandray an-tanana azy dia nanambara fa raha tsy vita ny “autopsie”, tsy afaka milaza izay zavatra nahazo marina an’io lehilahy io izy. Nilaza koa izy fa ny maratra iray dia mitovy tsara amin’ny nahazo ity maty ity ny nahazo azy. Mivonto ihany koa lohany ary tsy mandeha rà. Ity farany ity moa dia omaly maraina vao tonga tao amin’ny hopitaly ary mbola tsaboina.

Fito nosamborina. Tao anatin’izany sakoroka izany dia fantatra ihany koa fa olona fito no nosamborin’ny mpitandro filaminana voatondro ho an’isan’ireo nametraka barazy sy nandehitra ny afo tetsy sy teroa ireny. Amin’izao fotoana izao dia tazonina eny amin’ny zandary Tana ville eny Betongolo izy ireo hatao famotorana.

No comments: