Wednesday, January 18, 2012

Manjakaray : Ankizivavy hipetrahan-javatra, voalaza fa mandeha ambony rano

Vao 13 taona izy, rehefa mihetsika ny trombany dia miova ny feony, feon’ankizy, tanora ary olon-dehibe. Miova koa ny endriny.

Tamin’ny alatsinainy teo, feno olona ny arabe manoloana ny biraon’ny fokontany Manjakaray II C. Tsy latsaky ny arivo any ho any, hoy ny tompon’andrakitra iray. Nandeha ny feo fa misy ankizivavy manidina ao amin’ny birao ao. Rehefa tena nojeren’ny tomponandraikitra ifotony anefa ny fandehan-javatra dia nahamarika izy ireo fa hipetrahan-javatra ity ankizy ity.

Emma Prisca no anaran’ity zazavavy ity, 13 taona izy. Avy any Mahajanga no fiaviany. Tamin’ny alahady teo, nisy nahita teny amin’ny ranon’i Masay i Prsica. Variana ny olona tamin’izay, araka ny fitantaran’izy ireo fa toa mandeha ambony rano izy ary vetivety foana dia tonga eny an-tanety. Tsy misy lena na dia ny faladiany aza. Izany no nanaitra ny olona ka nandray ny andraikiny ny vaomieran’ny fandriampahalemana ny hisambotra azy. Rehefa izany dia naterina tany amin’ny polisy Tsaralalana. Tsy nitana azy anefa ny tany fa nasaina nentina niverina aloha.

Nihetsika tromba. Ny alatsinainy, nentina tao amin’ny biraom-pokontany ilay zazavavy. Araka ny voalaza, nitangorona ny olona ary tapaka mihitsy ny lalana. Tamin’ny atoandro, nilaza ilay ankizivavy fa tonga ny “trombany”, hoy ny fitantaran’ireo tomponandraikitra tao amin’ny fokontany. Alohan’izany anefa dia zavatra efatra no notadiaviny: labiera, tany malandy emboka manitra ary lambahoany. Novoriana ireo. Nipetraka teo ambony seza aloha ilay ankizy. Nilaza anefa izy, araka ny fitantaran’ny tompon’andraikitra ihany, fa mipetraka amin’ny tany no mahamety azy. Novelarina lamba. Nihetsika tamin’izay ilay zavatra tao aminy ka dia tsy maintsy nifampitazomana izy. Nisy nampilaza tany amin’ireny mpivavaka ireny izay tonga tao. Nesorina ny emboka sy ny tany ravo ary nivavahana teo ilay zazavavy. Maro ny zavatra niseho nefa tsy nampihemotra ireo mpiandry izany. Afaka 20 minitra, nihanalefaka ny fihetsiny. Ary dia lasa nivavaka koa izy.

Amoron-dranomasina. Rehefa avy nihaino ny fitantarany ny tao amin’ny fokontany dia niantso ny havany tany Mahajanga. Maro ny vaovao azo tamin’izany. Anisany ny hoe, eny amoron-dranomasina foana no ahitana azy. Vetivety dia hita, ary vetivety, tsy hita. “Tsaiky mandeha ambony rano” no iantsoana azy, hoy ihany ny vaovao. Efatra ry zareo no mpiray tampo ka izy hafa ray. Tsy navelan’ilay zavatra mipetraka aminy miara-monina amin’io raikely izay nolazainy fa nanao zavatra tsy nety taminy izy. Izay no nampiakatra azy taty an-drenivohitra. Fahagagana hatrany ny an’ny olona nahafantatra fa tsy hay mihitsy ny nahatonga azy taty. Niakatra tao anaty taxi-brousse izy; nasaina nidina satria tsy nisy nety nitondra azy. Variana anefa ilay mpamily rehetra taty Antananarivo satria niaraka tonga taminy teo amin’ny fiantsonan’ny fiara izy. Nanampy ny fitantaran’ilay ankizy ka nanamafy fa mahafantatra azy avokoa ny zandary sy ny polisy miandraikitra ny fifamoivoizana saika amin’ny lalam-pirenena rehetra. Tany Mahajanga, nidina avy eny amin’ny rihana faha-5 izy, taty ivelany, nefa tsy naratra mihitsy, hoy ihany ny filazany. Izy hono tsy mahatsiaro tena fa ny olona no nitantara azy an’izany.

Tamin’ny alatsinainy ihany dia naterina tany amin’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona izy. Araka ny vaovao ihany, mety horaisin’ny Syndicats des Professionnels Diplomés en Travail Social (SPDTS) izay miaro ny zon’ny ankizy ity zazavavy ity.

No comments: