Thursday, January 19, 2012

Mandrosoa Ivato : Kolonely mamo nahafaty olona

Olona vao avy notsenaina teny amin’ny seranam-piaramanidin’Ivato no niharan-doza teny amin’ny manodidna ihany. Nohitsin’ny kolonely efa mamo tamin’ny fiarany...

Ny alin’ny talata hifoha alarobia teo no nisehoan’ity lozam-pifamoivoizana nitarika fahafatesana olona ity. Iray no maty ary roa hafa naratra mafy. Izay no vokatry ny hadalan’ity manamboninahitra ambony ity. Raha ny fanazavana azo dia mamo izy no nitondra ny fiara iray tsy mataho-dàlana. Nisy fiarakely, 2 CV, nitondra olona izay vao nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina teny Ivato nifanena taminy. Tsy vitany intsony ny niala izany fa avy hatrany dia nohitsiny tanteraka. Tafiakatra teo ambonin’ilay fiara kely mihitsy ilay 4X4 vokatr’izany. Voa mafy ny mpamily ilay fiarakely. Naratra be ihany koa ireo olona roa izay nentiny. Tao anatin’izay anefa dia mbola nanan-kevitra ny handeha hitsoaka ihany ilay 4X4 nentin’ity kolonely mamo. Soa anefa fa nisy fiara hafa mihitsy sendra nahita. Io no nibahana ny làlana mba tsy hahafahan’io nihetsika intsony. Mbola nahazo fandrahonana indray ilay nibahan-dàlana, mazava ho azy avy amin’ilay kolonely. Nampandrenesina ny mpitandro ny filaminana izay nitazona avy hatrany ny tompon’andraikitra tamin’ity lozam-pifamoivoizana izay nahafaty olona ity. Sady manamboninahitra ambony no mamo nitondra fiara no mbola saika hitsoaka ihany koa. Feno tanteraka ny fepetra hamonjana azy mba ho fampiharana ny lalàna. Omaly ihany dia nosokafana ny fanadihadiana.

No comments: