Sunday, January 22, 2012

Amboanjobe : Lehilahy lehibe niaraka tamina sipa, maty tanaty hotely



Tsy mbola fantatra marina izay nahafaty ilay rangahy lehibe tao amin’ny hotely

Lehilahy lehibe iray efa 60 taona mahery no maty tao amina hotely iray teny Amboanjobe Atsimondrano. Araka ny loharanom-baovao, tonga nanofa trano tao ity olona ity niaraka tamina sipa iray izay voalaza fa mbola tanora tokoa, 27 taona. Rehefa maraina ny andro, gagagaga ihany ny mpiandraikitra tao amin’ilay hotely fa na dia efa mazava be aza dia toa tsy nihevitra ny hiala ireo mpanofa. Nandeha nijery tany ny mpiasa iray sady nanontany raha hisakafo ry zareo. Ilay sipa no namaly fa mbola matory ilay rangahy. Dia lasa ilay mpiandraikitra nandeha. Tonga ny tamin’ny 10 ora, niverina nanontany indray ilay iraka ary dia namaly ilay sipa fa tsy mbola nifoha mihitsy ilay matory. Nanomboka teo, mahina ny tompon’ny hotely ka lasa nandeha tao nijery ny tena zava-nisy. Akory ny hatairan’ny rehetra rehefa nijery ilay olon-dehibe izay efa tsy miaina intsony. Teo vao samy nikoropaka ny iray trano. Ilay sipa rehefa nanontaniana dia nilaza fa tsy nahafantatra mihitsy hoe efa maty anie io olona io fa noheveriny hono fa matory fotsiny ihany. Nantsoina ny zandary ary rehefa tonga teny an-toerana dia nahita ny fisian’ny tavoahangy toaka sy coca maromaro tao amin’ilay trano. Amin’izao fotoana izao, tsy fantatra marina aloha izany hatreto izay nahafaty ity lehilahy ity na noho ny zavatra nosotroiny na noho ny harerahana be loatra nianjady taminy tamin’ny alina. Efa mandeha amin’izao fotoana izao ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana.

No comments: